24 aprily 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 22-29)

23 aprily 2023 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Taona A — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

♦ Mitaky fanatsaràna ny fomba fanamboarana pasipaoro eny Anosy ireo olom-pirenena mila izany. Naneho ny fitarainany amin'ny tsy fahombiazan'ny fandaminana amin'izao fotoana izao izy ireo... ♦ Niverina mitaky ny vola tambiny tokony sitrahana tamin'ny fikojakojana ny lalana ny mpandraharaha. Miandry fampiantsoana sy vahaolana avy amin'ny tompon'andraikitra mahefa ireo tompon'ny orinasa... ♦ Nolavin'ny lehiben'ny Distrikan'i Fandriana ny hetsika kasain'ny Malagasy Miara-Miainga hatao any amin'ny Kaominina Imito rahampitso zoma. Mihemotra tanteraka ny fahafahana maneho hevitra hoy ny Antoko... 

♦ Ilaharana vao maraim-be ny fanamboarana pasipaoro eny Anosy. Tonga hatrany amin'ny savorovoro izany... ♦ Feno 18 taona androany ny EKAR Radio Faniry, any amin'ny Diôsezin'Antsiranana... ♦ Mizarazara ny hevitry ny tanora, manoloana ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana...

♦ Tsy marina ny filazàna fa nisy olona 120 isa maty, vokatry ny hanohanana tany Vangaindrano hoy ny tale jeneralin'ny BNGRC... ♦ Niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera omaly ny vaovao nilaza ny fahaverezam-bola 400 tapitrisa ariary tao amin'ny "trésorerie principale" ao Ambalavao, efa mandeha ny fanadihadiana... ♦ voasambotra noho ny fandefasana hafatra diso adiresy tamin'ny findain'ny ben'ny tanàna iray any amin'ny distrikan'i Maintirano ny lehilahy miisa 02 mpianaka, mpangalatra voamason'olono... ♦ Nankatoavin'ny FMF, omaly, ny fametraham-pialan'andriamatoa Nicola Dupuis, tsy ho mpanazatra ny Barea an'i Madagasikara intsony...

Mila filaminana isika na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy. Mila mifanaja ihany koa, indrindra ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na ao an-tokantrano na eo amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mahaiza mifanampy isika Malagasy amin'ny fanjifàna ny vokatra eto an-toerana, fa ny vita avy any ivelany manabe takolaka ny hafa fotsiny. Tsangan-kevitra apetraka ny hoe : "maro tohanan'ny maro". Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Miainga amin'ny fahaiza-manaon'ny mpitondra any ifotony ny fampandrosoana, ka tokony ho fitantanana mahomby no hisy any amin'ny rafitry ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Antony fampiofanana ireo vehivavy Ben'ny Tanàna eto Madagasikara... ♦ Mamelona indray ny fitiavan-tanindrazana ny fahafantarana ny tantara nisy teto amin'ny firenena hoy ny Filohan'ny repoblika. Isan'ny mpitondra niaro ny fiandrianam-pirenena ny Praiministra Rainilaiarivony. Nampitondraina ny anarany ny Musée eny Amboditsiry... ♦ Firenena miisa 06 aty Afrika no mampiasa ireo boky fampianarana miisa 56. Anatin'izany i Madagasikara, ka nanaovana tombana ny momba ireo boky ireo...

♦ Miofana eto an-drenivohitra mandritra ny telo andro, nanomboka androany, ireo vehivavy Ben'ny Tanana avy amin'ny faritra 14 eto amin'ny nosy... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny Mozea Rainilaiarivony. Toeram-ponenany teny Amboditsiry, fony izy Praiminisitra... ♦ Nanaovana tombana nandritra ny roa andro, ireo karazam-boky miisa 56 ampiasain'ny mpianatra any amin'ny amabratonga fototra voalohany sy faharoa. Boky ampiasaina any amin'ny firenena miisa enina aty Afrika sy Madagasikara...

♦ Miahiahy ny vovonana Gasy Leo, raha nisy tokoa ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy nataon'ny CENI. Ahiahy, manoloana ireo olana tsy fahatomombanana voarain'izy ireo, taorian'ny fanamarinana anarana eny anivon'ny Fokontany... ♦ Andro tsy fiasàna nefa andraisan-karama manerana ny nosy ny zoma 21 avrily 2023 izao, araka ny naoty navoakan'ny Ministeran'ny asa sy ny asam-panjakàna ary ny lalàna sôsialy. Hisitraka io andro tsy fiasàna io avokoa ny mpiasa rehetra, hoy ny fanazavana... ♦ Mpampianatra FRAM 31.500 no noraisina ho mpiasam-panjakàna tao anatin'ny 3 taona, hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena. Nambarany fa niangarana manokana ny sehatry ny fanabeazana...

Misy ny fanabeazana azo hatao hisorohana ny lainga. Mba hisorohana ny lainga dia aporisihana hatrany ny olona heverina manao ilay lainga mba hanaporofo hatrany ny reseka hataony. Ny atao hoe lainga dia izay mifanohitra amin'ny marina. Ny lainga dia teny na fehezan-kevitra avoakan'ny vava. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14a. 36-41)

Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny lehilahy iny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo tamin’ny Jody hoe:

“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina,
fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”.

Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:

“Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?”

Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:

“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra,
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa”.

Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:

“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity”.

Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra
tamin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.

Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 20b-25)

Indro ankehitriny fa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

Ry hava-malala,
raha manao soa ianareo no ampahoriana,
ka miaritra amim-pandeferana,
dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Sady izany koa no niantsoana anareo,
satria i Kristy nijaly ho anareo koa,
ka namela fianarana ho anareo,
mba hanarahanareo ny diany;
dia Izy, Ilay tsy nanota akory,
na mba niloa-bava nilaza fitaka velively;
Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona,
fa nanolo-Tena tamin’ny mpitsara Azy tsy ara-drariny;
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo,
mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,
fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo,
ary indro ankehitriny
efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo,
sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Izaho no vavahadin’ny ondry.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Farisianina hoe:

“Lazaiko marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy,
ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny Azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rehefa tafavoakany avokoa ny azy,
dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony;
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony”.

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’ireo izay nolazainy tamin’izany.
Ka hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no idiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...