♦ Ampanantsoina eny amin'ny IGE Antaninarenina anio, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha. Hanaovana fanadihadiana ao amin'ny biraon'ny Bianco Mahajanga kosa, amin'ny talata izao, Andriamatoa Ahmad, Filohan'ny CAF teo aloha... ♦ Hanomboka anio, any amin'ny Faritra Anosy, ny fikaonan-doha ara-bola isam-paritra, hakana ny soso-kevitra avy eny ifotony, entina hanomanana ny LFI 2024... ♦ Nijanona ho fandrahonana fotsiny kosa ny fitokonana saika hataon'ny fikambanan'ny mpitatitra amin'ny fiara vaventy, ATC. Nanapa-kevitra ny tsy hitokona indray mantsy izy ireo...
♦ Voaantso hatao fanadihadiana eo anivon'ny Inspection Générale de l'État, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha, Navony Pierre Le Noble... ♦ Nampidirina am-ponja ny olona dimy tamin'ireo valo voarohirohy tamin'ilay fahaverezana vola maherin'ny 388 tapitrisa Ariary, tao amin'ny Trésor tao Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony... ♦ Tsy nahafa-po ny fari-pahaizan'ireo mpianatra tamin'ireo sekoly nampiharana ilay teti-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE, tao anatin'ny efa-taona. Misy ny atrikasa hanaovana jery todika ny fampiharana izany, eo amin'ny lafiny teknika sy ara-bola...
Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara" raha ny momba ny fahafahan'ny tantsaha niatrika ny fiovan'ny toetr'andro nofaritana tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika miisa 174 no natao nandritra izany. Tokantrano 17.800 mahery no nisitraka fampiofanana momba ny teknika fambolena lovain-jafy. Nihoatra lavitra tamin'ny tanjona nofaritana no tratra, taha hatrany amin'ny 153%. Amporisihana ireo tantsaha hanao ny voly mampidi-bola sy voly atao sakafo mba hisorohana ny fanapotehana ny ala hanamaivanana ny fahasahiranana vokatry ny fiatraikan'ny COVID-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro.
♦ Mitsidika any Mahajanga i Mompera Alphonse Owoudou mpanolontsaina rejionaly ho an'i Afrika sy Madagasikara eo anivon'ny Fikambanana salezianina. Fitsidihana nandritra ny 4 andro... ♦ Hiaka-dapa hanomboka ny 02 mey izao hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ny antenimiera mpanao lalàna eto Madagasikara. Amin'ny 11 ora antoandro no fanokafana ôfisialy ho an'ny eny Tsimbazaza ny talata izao... ♦ Nisitraka fampitaovana avy amin'ny mpiara-miombon'antoka ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana eto Antananarivo. Nanatrika ny fanolorana izany ny Ministra tompon'andraikitra Vina Maria Orléa...
♦ Tokony handany ilay tolo-dalàna hanovàna ny lalàm-pifidianana ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza, hoy ny Vondrona Panorama manoloana ny zava-misy amin'izao fotoana izao... ♦ Nametrahana ny foiben-toeran'ny antoko Tiako I Madagasikara ny etsy Talatamaty ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Notokanana omaly ny zava-bita... ♦ Hampiantrano ny Filan-kevitry ny Ministr'ireo firenena anatin'ny vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara ny 17 mey ho avy izao. Hanatrika izany ny Ministry ny raharaham-bahiny Frantsay... ♦ Tsy voahaja ny fampitsaharana ny fifandonana any Soudan omaly. Meherin'ny 500 isa ny maty tao anatin'ny 11 andro nisian'ny ady...
♦ Tokony holaniana ny tolo-dalàna hanovana ny lalàm-pifidianana, raha ny zava-misy amin'izao, hoy ny Vondrona Panorama. Handalo fankatoavana eny amin'ny Antenimiera mpanao lalàna amin'ny volana mey izao, izany tolo-dalàna izany... ♦ Tsy misy idiran'ny fitondrana ny olan'ny Jirama, amin'ny famatsiana menaka mavesatra, hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Nambarany fa vola 441 Miliara no efa nampindramin'ny fitondram-panjakana ity orinasa ity, tao anatin'ny telo volana...
♦ Ho fampahafantarana ny olom-pirenena ny lalàna sy ny zony, hiadiana amin'ny fanaovana kolikoly dia atomboka anio eny Talatan'i Volonondrry ny hetsika "Fiara Zo" na ny "Caravane de Droit"... ♦ Mbola mahatratra hatrany amin'ny 30% ny olona tratry ny tazomoka any atsimo atsinanana, taha ambony indrindra eto Madagasikara. Any Farafangana noho izany no hanamarihana ny andro eran-tany hiadiana amin'ny tazomoka, amin'ny 9 jona izao... ♦ 2 tapitrisa ny kara-tany ho zarain'ny Fanjakàna hatramin'ny volana desambra. Ny 561.039 no efa voazara tamin'ny alalan'ny tetik'asa CASEF. Andro fahatelo amin'ny heriandro ho an'ny kara-tany ny anio...
♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny fizaka-manana ara-tsaina na ny "propriété intellectuelle" ny anio 26 avrily. Loha-hevitra entina hanamarihana izany amin'ity taona ity ny hoe : "Ny vehivavy sy ny fizaka-manana ara-tsaina, mitantsoroka amin'ny fanafainganana ny fahitana vao sy ny famoronana"... ♦ Sakana ho an'ny fahitan'ny tanora asa ny tsy fananany fahaiza-manao sy traik'efa takian'ny orinasa. Lalana iray hitondra ho amin'ny fampandrosoana ny fanofanana arak'asa ny tanora hoy Mopera Bizimana Innocent, lehiben'ny Salezianina eto Madagasikara sy Maurice... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy teny amin'ny lycée Rabearivelo Analakely ny hetsika "Asako rahampitso" andrian'ny faha-15, haharitra hatramin'ny zoma 28 avrily 2023...
♦ Tanterahana eny Ampefiloha mandritra ny telo andro, ny dinika hiresahana ny olana momba ny fanofanana arak'asa. Miara-miombona antoka ny Fikambanana Salezianina Don Bosco Madagasikara sy ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa... ♦ Mpianatra 8000 isa, avy amin'ny Lisea miisa valo ao an-drenivohitra, sy any amin'ny Distrika telo hafa, no misitraka fahalalana amin'ilay hetsika "Asako rahampitso", nanomboka androany, hatramin'ny zoma ho avy izao...
♦ Manambana hanao fitokonam-be ireo mpamily fiara vaventy mpitatitr'entana amin'ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina, noho ny mbola faharatsian-dalana. Fiarabe 10 no efa nivadika tao Mandraka tao anatin'ny roa volana, vokatr'izany... ♦ Olona 5000 isa eo ho eo, avy aminà fianakaviana 1000 isa, no tratry ny kere any amin'ny Distrikan'i Vangaindrano amin'izao. Mbola tsy voamarina hatramin'izao ny fisian'ny olona matin'izany hanoanana izany hoy ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Mirongatra amin'ny toerana samihafa eto Antananarivo sy ny manodidina ny tsy fandriam-pahalemana amin'izao. Nirefodrefotra omaly teny amin'ny 67Ha atsimo, jiolahy iray nirongo basy notifirin'ny Pôlisy tamin'ny andro antoandro...
Mila mahay miaina anaty fandanjalanjana ny olona mba tsy hiteraka olana amin'ny lafin-javatra hafa. Mila miezaka mahay ambony, mahay ambany isika, ary koa mila manaiky tsotra izao ny lalana nodiavina, indrindra raha tena fahasahiranana na lalan-tsarotra no nodiavina. Mila mahay miatrika fahasahiranana ary ihany koa mahay miaina fiadanana sy filaminana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 7, 1-7)
Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra,
dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista,
satria tsy mba nahìna loatra tamin’ny fizarana ny fiantrana isan’andro
ny mpitondra tena tao aminy.
Ka novorian’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe:
“Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo,
ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.
Koa amin’izany,
ry rahalahy havana iray finoana,
mifidiana fito lahy eo aminareo,
izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena,
mba hametrahanay izany raharaha izany;
ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny”.
Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany,
ka nofidìny i Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina,
i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy,
ary i Nikôlà, prôzelita avy any Antiôkia.
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo,
ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
Dia niely ny tenin’Andriamanitra,
nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema,
ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 32, 1-2. 4-5. 18-19
Ry olo-marina, hobio ny Tompo.
Ny olo-mahitsy no mendrika hidera.
Derao amin-dokanga ny Tompo,
antsao am-baliha tory folo.
Fa marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 4-9)
Ry hava-malala,
manatòna an’i Jesoa Tompo, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho tempoly fanahy,
ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe:
“Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna,
dia vato voafidy sy saro-bidy,
ary izay mino Azy tsy hangaihay”.
Koa voninahitra ho anareo izay mino;
fa ho an’izay tsy mino kosa dia:
“Ny vato nolavin’ny mpanao trano
no efa tonga fehizoro ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina”;
fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky,
sady izany rahateo no nanendrena azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’ilay niantso anareo
hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy toerana maro ao an-tranon’ny Raiko,
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra toerana ho anareo,
ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”.
Dia hoy i Tômà taminy:
“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Raha nahafantatra Ahy ianareo,
dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo,
sady efa nahita Azy”.
Dia hoy i Filipo taminy:
“Asehoy anay ny Ray, Tompoko,
dia ampy ho anay izany”.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo,
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy,
dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray,
ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko,
fa ny Ray Izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy,
satria mankany amin’ny Ray Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco