Mitranga ho azy ny olana eo amin'ny fiaraha-monina vokatry ny fahatrana sy ny ady ary ny raharaha ara-politika, eo koa ny fanalalahana. Rehefa ao anaty fahantrana ny olona dia noana, tsy afaka miasa ka manaiky ny fizahozahoana sy ny fanararaotrana. Ny fiaraha-monina dia voajanahary ka mila miara-misalahy mba hitovy lenta ny be sy ny maro. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

INRI = Jesoa nazareanina mpanjakan'ny Jody. Teny fanesoana mifono hevi-dalina ara-politika io voalaza io, nikatsaka ny tombontsoa ho an'ny Jody i Jesoa, anefa io no antony nanamelohana azy ho faty . Ara-pivavahana no fiampangana anefa sazy ara-politika no nomena azy dia ny fifantsihana tamin'ny hazo fijaliana, izay sazy ho an'ny olona mahantra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Olana hafa ihany koa ny fanalalahana. Rehefa nomena fahefana ny vahoaka dia nisy ny fahalalahana. Ny rafi-pitondrana "demôkrasia" dia ankasitrahan'y Eglizy ; afaka mandray anjara amin'ny safidy pôlitika ny vahoaka. Ny gaboraraka dia miteraka zava-dratsy maro ; isan'ireny ny fanalalahana fifaninanana ara-barotra toy ny fanaovana dokam-barotra izay maro no mamitaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Manana zo hanohitra ny olona iray. Misy karazana 2 ny fanoherana dia ny fanoheran'ny tsirairay sy ny fanoheran'ny vondron'olona ; ohatra hoe mbola tsy vita ny fifidianana dia efa manohitr. Manana zo hanohitra amin'ny anaran'ny konsiasa na ny feon'ny heritreritra ny tsirairay. Ohatra : Rehefa mahakasika ny aina toy ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Misy fomba hanoherana manoloana ny lalàna na baiko. Raha mifanohitra amin'ny konsiansa dia tsy manatanteraka ; tsy voatery hanaiky rehefa tsy rariny mifanohitra amin'ny zo aman-kasin'ny olombelona. Ilaina ny fanajana ny vondron'olombelona tsy mitovy hevitra. Araka ny fandinihana ny hevitry ny mpanohitra no ahitana fifandraisana, ny eglizy no manitsy izay tsy mety. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny atelon'andron'ny Paka dia manomboka ny Alakamisy. Telo andro mialohan'ny nahafatesany i Jesoa dia naneho zavatra maro : Ny alakamisy Masina no namoronany ny Sakramentan'ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny Filaharana. Ny alakamisy ihany koa dia fetin'ny pretra izay tandindon'ny fanorenena ny Sakramentan'ny Filaharana. Katesizy momba ny Alakamisy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny Zoma Masina dia hanaovana fifadiana lehibe. Ho fandraisana anjara amin'ny fijalian'i Jesoa sy hibanjinana ny fanavotana. Ny Zoma dia fahatanterahan'ny Sorona dia Izy tenany sy ny namatsihana azy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesan'i Jesoa dia tsy ho an'ny Jody irery fa ho an'izao tontolo izao, na mpino na tsia. Katesizy momba ny Zoma Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny Sabotsy Masina dia misy fankalazana miavaka, fankalazana an'i Jesoa nandresy ny fahafatesana. Misy lafiny telo ny fankalazana : Voalohany Kristy Fahazavana aseho amin'ny alalan'ny Afo Vao sy Jiron'ny Paka ; faharoa Kristy Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vakiteny Masina ; ny farany Kristy Loharanon'Aina tandindon'ny Batemy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny ankalazaina ny andron'ny paka dia tohin'ny tantara Masina taorian'ny nitsanganan' i Jesoa ho velona. Ny fisehoana tamin'ireo mpianany no misongadina amin'ny Vaki-teny Masina amin'io Paka io. Piera no vavolombelona voalohany ary nitory ny Vaovao Mahavaly araka izay voasoratra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly, ary izany no maha Apôstôlika ny Eglizy.  Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Hatrany   am-piandohàna   dia  efa noharin’Andriamanitra   hisokatra   amin’ny   tontolohafa sy hivelatra amin’ny olona rehetra ny olombelona. "Tsy tsara raha irery nyolona" hoy ny Jen 2, 18. Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny miara-monina. Izay no miteraka fiaraha – monina. Mila mifandray izy. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

Ny Fangorahana, lalan’ny sinody, araka ny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Joany 12, 8 dia : "hisy mandrakariva ny mahantra" eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika. Matetika ny fiheverana ny fahantràna dia miainga amin’ny lafiny ara-materialy ihany, tsy fananam-bola, tsy fisian’ny   hanin-ko   hanina,   mitafy   voron-kitsay,   trano   tsizarizary. Ny fahantràna ara-tsaina ihany koa dia efa fahantràna, fa indrindra ny ara-panahy. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

Fangorahana sy famindram-po, toe-tsaina ilàna fizàrana na fahazarana. Tsy hoe fihetseham-po mandeha ho azy ny mangoraka sy ny mamindra fo fa toetra   volena   mba   hanahafana   an’Andriamanitra   mangoraka   ny   vahoakany   sy mangoraka   azy   amin’ny   halemeny. Tsy hisy hahatsapa ho tena sambatra raha mbola misy ny mijaly. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...