Fangorahana sy famindram-po, antso ho an’ny Eglizy ankehitriny. Fa iza moa ny Eglizy ? Araka fampianaran’ny Kônsily Vatikana II, ao amin’ny foto-pampianarana momba ny Eglizy "Fahazavan’izao tontolo izao", toko fahatelo, dia ny vahoakan’Andriamanitra tsivakivolo no Eglizy satria ireo no tolorany ny famojena. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Masina Maria, môdelin’ny fangorahana "hatsaram-panahy ny famindram-po sy ny fangorahana" ; ny olona manetry tena ihany anefa no ho afaka mamindrà fo sy mangoraka. Hatsaram-panahy fototra ny fanetren-tena, ary io hatsaram-panahy io no nanainga an’i Masina Maria hangoraka nyr ahahavaviny, i Mb Elisabeth. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Miha olona ny fiaraha-monina rehefa mahay mangoraka sy mamindra fo ny fahalemen'ny hafa ny tsirairay, ary manampy azy hiala amin'izany fahalemena izany. Mitaky halemempanahy sy fanetrentena ny fahaiza-mangoraka. Ao anatin'ny fitiavana tsy mitaky valiny no hanatanterahana izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Maro tokoa ny tambazotra sosialy ampiasaina amin'izao vanin'andro misy antsika izao, na ny any amin'ny firenen-kafa na isika eto Madagasikara. Ohatra vitsy amin'izany ireto tanisaina amintsika ireto : Instagram, Twitter, WhatsApp, Skype, Telegram, Signal, TripAdvisor, MySpace, Netlog, LinkedIn, TikTok, SnapChat, Twich sns. iray amin'izy ireo ny Facebook izay betsaka mampiasa eto Madagasikara. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Maro isan-karazany ireo tombon-tsoa azo avy amin'ny fampiasana ny "facebook" raha tena ampiasaina amin'ny maha fitaovana azy satria mampiditra fomba vaovao hifandraisana sy hahazoana vaovao izy ity. Anisan'ny tanjaky ny "facebook" ny fahafahana mampitombo ny fifandraisana. Mila fitandremana ny fampiasana ny "facebook" hoy ny Papa Fransoa : tsy afaka manolo ny tena zava-misy ny virtoaly. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny "facebook" dia manampy amin'ny asa atao satria azo andefasana ireo dokam-barotra na fampisehoana ny asa atao izy io. Anisan'ny tena liana amin'ny fampiasana "facebook" ny ankizy sy ny tanora, izay manampy azy ireo amin'ny fifanankalozam-pahalalana, ny fianarana lesona, ny fanaovana enti-mody ary ny fanazarana samihafa. Ny "appel vidéo" dia ahafahana manazava izay mila fandalinana. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Lasa fitaovana hisandohana sy hanapotehana ny fiainan'ny hafa ny "facebook". Maro ireo endrika fisandohana eo amin'ny "facebook", miantomboka amin'ny tsy fampisehoana ny marina momba ny olona mitondra ny compte iray. Aoka tsy hadinoina fa mbola miteraka adi-hevitra sy fanontaniana maro hatramin'izao fotaona iresahantsika izao ny momba ny fanajana ny fiainana manokan'ny mpiserasera ny "facebook". Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Isan'ireo voka-dratsin'ny "facebook" ny faharavan'ny tokan-trano maro. Misy ireo mpivady zary mifampiahiahy sy tsy mifampatoky intsony, ary mety hitarika hatramin'ny fisarahana. Variana amin'ny fampiasana finday na solosaina ny mpivady ka miteraka tsy filaminan-tsaina izany. Mety hiteraka tsikelikely ny faharavan'ny fifandraisana sy ny elanelana eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Manana ny heviny ny Eglizy katôlika manoloana ny fampiasana ny tambazotran-tserasera. Ambara mazava fa tsy misy lalàna na andinin-dalàna manome alalana na mandrara ny fampiasana ny "Facebook" raha ny ato anivon'ny Eglizy katôlika. Azo lazaina fa afaka ho sehatra fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny "Facebook", azon'ny Eglizy hanatevenana ny fifandraisany amin'ny ireo tsy tonga any am-piangonana. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Mila fahaizana mandanjalanja ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera mba tsy hanimbana ny soatoavina toy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ny fihavanana, ny fifaneraserana. Tsy tokony hanimba ny maha izy anao sy ny hafa ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera fa tokony ho entina mampivoatra ny maha-olona hita ao amin'ny fanabeazan'ny Soratra Masina sy ny Eglizy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny olombelona dia olon'ny fifandraisana. Natoraly ho an'ny olombelona ny fifandraisana miaraka amin'ny manodidina azy. Ny olona tsy afaka mifandray amin'ny hafa dia olona voasokajy ho olona voasazy. Na natoraly ho an'ny olombelona aza anefa dia mila voizina sy kolokoloina ny fihaonana : na ao an-trano na ao amin'ny toeram-piasana na eny anivon'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Ilaina ny mandrindra na manao fandaharam-potoana matotra mba ahafahana mihaona ary ny fihaonana izay hatao dia tokony misy antony mazava sy voaomana tsara raha tsy izany dia mety tsy ahitana voka-tsoa. Ny vokatry ny fihaonana dia araky ny tanjona tratrarina ; vokatry ny fihaonana ny fifankahafantarana na eo amin'ireo efa mpinamana na amin'ny olona vaovao. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco