I Madagasikara dia efa an-tapitrisany taona no efa nisy, izay ampahantany nihataka tamin'i Afrika sy Azia. Efa nisy mponina ny nosy Madagasikara, izay feno ala, izay azo lazaina ho olon-dia, nivelona tamin'ny fihazana biby sy fihinanana voankazo sy zava-maniry samihafa. Ny vazimba dia ireo olona tompon-tany hatramin'ny nisian'i Madagasikara, olona nitafy hodi-kazo. Nanaja ny razana sy ny fasana ny vazimba hany ka nataony tsy hitan'ny maso ny fasany ary lasa hasinina. Noho ny afotro (Volcan) dia maro ny maty. Ny toerana misy ny tarana-bazimba : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao...
♦ Hivory tsy ara-potoana manomboka anio ny Antenimieram-pirenena. Andrasana amin'ireo Solombavahoaka ny fanapahan-kevitra momba ny raharaha pôlitika, ankoatra ny fandaniana lalàna... ♦ Mbola tsy niala ny "immunité parlemantaire" an'ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina amin'izao fisamborana azy izao, raha ny fanazavan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena omaly... ♦ Handray ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny diôsezin'i Farafangàna... ♦ Mikasa ny hamoaka ireo sambo mpitondra solika 900 isa izay mihitsoka any amin'ny fari-dranomasina Persika ny tafika amerikàna...
Tsy afaka hiaina ivelan'ny fiaraha-monina ny mpivady. Natao hiara-hiaina aman'olona, na samy manana ny toetrany aza ny tsirairay. Tsy mora mandrakariva ny miara-monina, eny fa na dia ny fiaraha-monin'ny mpivady aza dia tsy hoe : mandeha ho azy akory fa mety hisy korontana, mety hisy tranga maro manimba ny fifankatiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
• Tsy mbola azo esorina amin'ny Solombavam-bahoaka Naivo Raholdina, ny zo tsy azo enjehina, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, raha tsy mbola misy fanapahan-kevitra avy amin'ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena... • Firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara, ka manaja ny safidiny amin'ny fiaraha-miasa amin'ny firenen-kafa, toa an'i Rosia ny Vondrona Eoropeana, hoy ny masoivohony eto amintsika, Roland Kobia... • Mikarakara atrikasa mandritra ny roa andro, handalinan'ireo mpikambana ao aminy, ny lalam-pihariana fiompiana tantely, ny tambajotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra, na ny Réseau SOA...
♦ Hiatrika fivoriana ara-potoana manomboka rahampitso ny Antenimieram-pirenena. Andrasana ny hevitry ny eny Tsimbazaza momba ny nisamborana ny naman'izy ireo dia ny solombavambahoaka Naivo Raholdina... ♦ Miala any ny famolavolana lalàna hiarovana ireo mpampaneno lakolosy (lanceur d'alerte). Mety hatolotra hodinihina eny amin'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fivoriana ara-potoana izao io volavolan-dalàna io... ♦ Hosoloina ny bozaky ny kianja Barea Mahamasina, hahazoana ny fankatoavan'ny CAF. Hanapa-kevitra momba izay karazam-bozaka hasolo ny misy amin'izao ny Fanjakàna amin'ity herinandro ity...
---/… Nanamarika ny 03 mey, andro isaisam-pirenena ho an’ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety isika omaly. Niavaka izany tamin'ity taona ity ho antsika teto Madagasikara satria andron'ny fanavaozana tokoa angamba. Herinandro mialoha tokoa manko no efa nisy ireo hetsika isan-karazany, ary mbola nitohy omaly ivon’ny fankalazana, tamin'ny alalan’ny fizarana mari-boninahitra ho an'ireo nahavita be teo amin'ity sehatra ity. Velom-pisaorana ny amin’izany ny Arofanina...
♦ Mpanao gazety 109 no notolorana mari-boninahi-pirenena omaly, ivon'ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety... ♦ Nosamborina ny solombavambahoaka Naivo Raholdina ; vao tafaverina avy nitsabo-tena tany ivelany nandritra ny volana maromaro izy izao voasambotra izao... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo olona 11 voarohirohy tamin'ilay fanafihana mitam-piadiana teny amin'ny Jovena Ambodimita. Nalefa eny Tsiafahy ny 9 tamin'izy ire... ♦ Nanambara ny firotsahany ho fidiana ho filoha any Frantsa i Jean Luc Melanchon...
Antso lehibe ho an'ny fanambadiana ny fanohizana ny asam-paharian'Andriamanitra amin'ny fiterahana. Ny firaisana ara-nofo dia natao hiterahana. Ary ny mpivady na miray amin'ny fotoana tsy maha lonaka ny vehivavy aza dia tokony ho ao an-tsainy mandrakariva fa ny firaisam-batana ataon'izy ireo dia fanohizany ny asa-pahariana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Fositra iray lehibe mamotika ny tokantrano ny fampirafesana. Rivotra mitsoaka ary tena mahazo toerana izany ankehitriny. Ireo endrika telo isehoan'ny fampirafesana : ny ho an'ny filan'ny nofo fotsiny ; ny ara-pihetseham-po ; ary ny anaty tambazotran-tserasera. Ankoatra ny ady tany dia ny fisaraham-panambadiana no maro eny amin'ny Fitsaràna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Maro ireo olona mivadivady toy ny kilalao ny fiainan'izy ireo ny fanambadiana. Tsy misy na inona na inona mamatotra azy ireo kanefa dia miaina toy ny mpivady izy ireo. Fitia mifamaly ny fifankatiavan'ny mpivady fa tsy mandeha irery akory. Tsy orinasa mpanome fahafinaretana fotsiny ny tokantrano ; tsy filibàna fa fikatsahana ny hasambaran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Ny saina mahiratra araka ny fikarohan'ny olombelona ary tsy mivaona fa sady lavorarian'ny fampianaran'i Kristy no manampy antsika hahazo ireo zava-misy ireo. Miankina be dia be, amin'ny firoborobon'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny hafinaretan'ny olona sy ny fokonolona. Ny Mpivady no fototra voalohany mampirindra ny fiaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Ny fanabeazana sy ny fitaizana dia tsy afaka misaraka, ary mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana ny zanaka ho tompon'andraikitra ka ny ray aman-dreny no tahafina amin'izany, mba hahay handrindra ny fiainana, hamelona sy hiaro ny ankohonana ary indrindra hitsinjo ny ho avy; etsy ankilany ny fitaizana dia fampitana fahalalana, hahazoana fahaizana, faharanita-tsaina, izay rantovina any am-pianarana. Ny fanabeazana dia mirona amin'ny rafi-tsaina fa ny fitaizana dia mandrani-tsaina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco