♦ Maneho ny alahelony manoloana ny herisetra sy ny aina nafoy amin'ny tranga misy eto Madagasikara izao ny masoivohon'ireo firenena tandrefana ary ny delegasiôn'ny Vondrona Eraopeana. Manamafy ny maha-zava-dehibe ny tany tan-dalàna sy ny fanajàna ny zo fototra toy ny fahalalahana maneho hevitra sy mivory am-pilaminana... ♦ Manao hetsika mitaky ny zony koa ireo mpampianatra amin'ny Faritra maro eto Madagasikara. Isan'izany ny ao Vakinankaratran Amoron'i Mania... ♦ Tombanana ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny morontsiraka ho an'ny anio sy rahampitso 3 oktobra, raha ny vinavina avy amin'ny Météo...
♦ Miangavy ny olom-pirenena Malagasy ny Arsevekan'i Toamasina, Mgr Désiré Cardinal Tsarahazana mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba ahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha manahirana eto amin'ny firenena izao izy... ♦ Nahery vaika ny fanenjehan'ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ny tolak'andro teo, tao Antananarivo-renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... ♦ Voapetraka omaly antoandro teny amin'ny Fitsaràna Anosy ny fitorian'ny holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety...
Ny fizarana fahatelo dia ny "Katobim", misy tononkalo (poesie) sy teni-pahendrena, fitoriana fitiavana ; boky ohabolana misy teny mamy fampaherezana. Ny tokon-kira dia fampiasa amin'ny litorjia, mifanandrify amin'ny volana maro ao anatin'ny taon iray : Rota, Estera. Mifamatotra amin'ny fiainan'ireo Jody ny tononkalo, tononkira, ohabolana toy ny hoe fanangonam-bokatra, fahatsiarovana ny fanafahana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Miangavy ny olom-pirenena eto Madagasikara ny Arsevekan'i Toamasina, Son Eminence Monseigneur Désiré Cardinal Tsarahazana, mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba hahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha izao ny Arsevekan'i Toamasina... • Nahery vaika ny famoretana sy ny fanenjehan'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana ny tolakandro teo, tao Antananarivo Renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... • Tafapetraka androany antoandro teny amin'ny Fitsarana Anosy, ny fitorian'ny Holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, rantsana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Izy ireo izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany...
♦ Nametraka fitoriana mahakasika ny herisetra nahazo ireo mpanao gazety omaly ary mangataka fifonana avy amin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Nanodidina ny 50 teo ireo olona efa voasambotra sy efa navotsotra nandritra ny hetsika "Leo delestage" nanerana ny nosy, izy ireo izay narovan'ny mpisolovava am-polony niasa an-tsitrapo... ♦ Tsy midika ho gaboraraka ny fanomezan-dàlana haneho-hevitra hoy ny fanambarana nataon'ny teo anivon'ny EMMONAT, nilaza ny hijoro hiaro ny tany tan-dàlana izy ireo...
♦ Hanatevin-daharana ny hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" eny Ambohijatovo anio voalohan'ny volana oktobra ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, hetsika izay tsy nahazo alalana avy amin'ny prefektora ny fanatanterahana azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ihany koa manomboka anio alarobia ny mpiasam-panjakàna izay tarihin'ny valaben'ny firaisankinan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna (SSM)... ♦ Voatohitohina amin'ny fanatanterahana ny asany ireo mpanao gazety manao ny fandrakofam-baovao amin'ny hetsika "leo delestazy sy tsy fisian'ny rano", mijoro miaro ny mpanao gazety araka izany ny holafitra sy ireo fikambanan'ny mpanao gazety marolafy...
Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Tafiditra tao Ambohijatovo androany tolakandro ny mpanao fihetsiketsehana. Naparitaky ny mpitandro ny filaminana anefa izy ireo avy eo... • Nozimbazimbain'ny mpitandro ny filaminana indray ny asa fanaovan-gazety androany. Fanahiniana nopotehana ny fitaovana nampiasain'ny mpanao gazety sasany teny an-kianja io takariva io... • Nisokatra ofisialy tamin'ny 7 marsa 2025 teo ny famotorana ireo tompon'andraiki-panjakana ambony, nandika ny Lalam-panorenan'ny Repoblika Fahefatra, manan-kery amin'izao fotoana izao, hoy Andriamatoa Razafimandimby José, Filohan'ny Fikambanana Fiverenana Andoharano...
♦ Efa miroso amin'ny famahana olana mikasika ny famatsiana ny herinaratra eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna ankehitriny, hoy ny filoha Andry Rajoelina alina, raha nitafa tamin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny haino aman-jerim-panjakàna... ♦ Tsy tokony averina amin'ny governemanta izay hitsangana eo ireo ministra teo aloha efa tsy nahomby, ary tsy tokony ho goaika antitra pôlitika ihany koa no handrafitra ny governemanta vaovao, fa olom-baovao mihitsy satria tsy lany olomanga isika hoy ny mpandinika pôlitika... ♦ Ahemotra amin'ny 11 novambra izao indray ny raharaham-pitsaràna an'i Rakotoarisoa Babà sy Clemence Raharinirina...
Ny tôkalo dia fifanosohan'ny tôkatôka sy ny tononkalo no niteraka io, izy ity dia miseho amin'ny endrika literatiora an-tsoratra sy am-bava miaraka ; ny tôkatôka dia lahabolana am-bava, ny tononkalo kosa dia literatiora an-tsoratra. Ny Pôeta Radialph avy any amin'ny Faritra Atsinanana (Vatomandry) no nipoiran'ity hai-famoronana ity. Tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy ity, anefa tsy maintsy mifanaraka amin'ny sehatra hisehoany.
♦ Noravan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina alina ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Manameloka ny fisamborana sy ny fampiasàna herisetra : toy ny nahazo ny naman'izy ireo sy ny olo-tsotra nanao ny fitakiana ny vondrona parlemantera IRMAR, manoloana ny zava-misy ao an-drenivohitra sy any amin'ny Faritra samihafa... ♦ Ampy ny tahirin-tsolika manerana ny nosy, raha ny fanambarana navoakan'ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) omaly... ♦ Nankasitraka ny drafitra natolotry ny filoha amerikana Donald Trump handaminana ny any Gaza ny filoha frantsay Emmanuel Macron...
Ny Baiboly dia fitambaram-boky marobe, raha ny hita dia misy boky 73 no natambatra ka 46 isa no mandrafitra ny Testamenta Taloha, miampy 27 isa Testamenta Vaovao. Misy boky miisa fito, mirakitra ny votoatin'ny fanagejana nihatra tamin'ny Jody nataon'ireo Grika : Tobia, Fahendrena, Makabeo, Baroaka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco