Teny tokana Andriamanitra, Jesoa teny tokan'Andriamanitra, tsy misy toa azy ary tsy misy azo ampitahaina aminy, Masina sy lavorary. Tsy mitovy amin'ny fahalavorarian'Andriamanitra ny fahalavorarian'izay rehetra nohariany, eny fa na ny olombelona aza. Ny andro fahaenina no naharian'Andriamanitra ny olombelona, fa tamin'izany ihany koa no nahariany ny biby fiompy izay fanao sorona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy sôsialy ary ny fiarovana ny tontolo iainana eo amin'i Madagasikara sy Colombie. Mitsidika eto Madagasikara ankehitriny ny filoha lefitra Colombien... ♦ Maro ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany goavana natao teto Madagasikara, saingy tsy hita mivantana ny tombontsoa ara-toekarena ho antsika Malagasy tamin'izany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Azon'ny Barea atao tsara ny mandresy ny Marôkana amin'ny lalao famaranan'ny CHAN anio hariva, hoy ireo mpamakafaka baolina Kitra... ♦ Mankalaza ny tsingerin-taona faharoa izay ambarany ho fetim-pirenena ho fanafahana i Gabon...
♦ Hitarika ny delegasiôna Malagasy hanohana ny Barea amin'ny lalao famaranana amin'i Maroc anio any Kenya ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Mahatratra 121 ireo manana ny fahazoan-dalana hanjono aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara ankehitriny hoy ny Ministry ny Jono sy ny Toe-karena Manga... ♦ 80% amin'ny Malagasy no mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana. Nivoitra izany nandritra ny fanamarihana ny andro Afrikanina ho an'ny fitsaboana nentim-paharazana teny Anosy omaly... ♦ .Manomana fanafihana mahery vaika any GAZA indray ny tafika Israeliana, atao tanànan'ny Ady mampididoza i Gaza, raha ny fampitandremana nataon'ny tafika Israeliana...
Andriamanitra manambara ny tenany : Tsy ampy fotsiny ny milaza sy te hampahafantatra hoe iza "Andriamanitra ", fa te hiombona tanteraka amin'ny olombelona Andriamanitra, ka hatanteraka izany dia miseho tsikelikely amin'ny olombelona Andriamanitra maneho ny tenany. Andriamanitra no mpahary ny olombelona, ary mbola Andriamanitra ihany koa no mpamonjy, dia izay mino azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
"Teny" mihitsy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, araka izay voalaza ao amin'ny Jenezy, mitantara ny nahariana an'izao tontolo izao. Tamin'ny nahariana an'izao tontolo izao dia niteny Andriamanitra ary izay noteneniny sy tiany dia nisy. Isaky ny faharian'Andriamanitra tao anatin'ny 6 andro misesy dia nofarany hatrany tamin'ny hoe "ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany" ... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Mahatratra 121 ireo manana fahazoan-dalana hanjono aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara ankehitriny, hoy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga... • Ny 80 %-n'ny Malagasy no mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana. Nivoitra izany nandritra ny fanamarihana ny Andro Afrikana ho an'ny Fitsaboana Nentim-paharazana, teny Anosy... • Hiezka hanao izay azo atao handresy an'i Maroc ny Barea, raha ny fampanantenana nataon'i Coach Roro...
• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...
Manohana ny fiarovana ny ala honko ao amin’ny faritr’i Sofia ny fahefana eo anivon’ny faritra sy ny any amin’ny kaominina. Raharaham-panjakàna ny fiarovana ny tontolo iainana araka ny nambaran’Andriamatoa Fidèle Emilson, tale misahana ny fotodrafitr’asa sy ny falmpandrosoana na ny DID ao amin’ny faritr’i Sofia, sady filoha lefitry ny vovonana hoan’ny fitantanana ny faritra arovana na ny P.F.Gap Avarabe Lovainjafy izay ivondronan’ny faritra Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny. Manaporofo izany hoy izy ny fametrahana io rafitra io...
Dei dia midika Andriamanitra, ary ny Verbum dia teny, ny Dei Verbum kosa dia azo adika hoe tenin'Andriaminitra. Andriamanitra miteny (Andriamanitra Ray), ilay tenin'Andriamanitra tonga nofo (Jesoa Kristy), ilay teny no lasa soratra dia ny Baiboly. Ny Eglizy dia mampianatra ny Tenin'Andriamanitra izay sarotra azo, raha tsy misy manazava, sy mampianatra eny na nadika tamin'ny tenim-pirenena maro... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hanokafana fanadihadiana ilay tranga nahafatesana miaramila telo nandritra ny filatsahana an'elonaina tany Arivonimamo. Hosokafana ny vaomiera itambarana miaraka amin'ny tafika frantsay, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... • Mpiasa 600 amin'izao no efa voaroaka, noho ny fatiantok'ireo orinasa eto amintsika mandefa entana any Etazonia, vokatry ny fiakaran'ny haban-tseranana ho 15 %, araka ny tatitry ny Randrana Sendikaly... • Mpilaloa fito avy eto an-toerana, hanao lalao famaranan'ny CHAN, no nantsoin'i Corentin Martins hanatevina ny Barea A, hiatrehana ny fifanintsanana Mondial 2026 amin'ny volana septambra. Nivoaka androany ny lisitra ofisialy mirakitra izany...
♦ Nidinika ny momba ny ezaka fampandrosoana isam-paritra sy nifampizara traik'efa tany Mahajanga ny governora eran'ny nosy tamin'ity herinandro ity. Governora 18 amin'ireo 23 no nanatrika ny fihaonana tao an-drenivohitry ny Faritra Boeny... ♦ Nahavita ny androm-pirenen'ny ankizy andiany voalohany ny tao amin'ny Diôsezin'i Farafangàna. Fahombiazana no azo nandritry izay hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Hanamaivana ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra ho an'ny fianakaviana sahirana ao aminy ny kaominina Ambohidratrimo. Manohana ny mponina tsy an'asa amin'ny tetik'asa fiompiana akoho ny kaominina araky ny fanazavan'ny sekretera jeneraliny...
♦ Miatrika fivoriambe nasiônaly eny Itaosy amin'ity herinandro ity, ny OPM eto Madagasikara... ♦ Namoizana manam-boninahitra miisa telo avy amin'ny foloalindahy malagasy omaly ny filatsahana an'elon'aina nataon'izy ireo tany Arivonimamo izay natao hakàna ny Brevet momba izany. Filatsahana amin'ny elon'aina niarahana tamin'ny tafika frantsay... ♦ Olona miisa 27 avy amin'ny fianakaviana maromaro no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Antsiranana. Efa nandray ny andraikiny ny tompon'andraikitra any an-toerana... ♦ Ankizy miisa roa no maty tany Etazonia vokatry ny tifitra nataonà lehilahy iray tao amin'ny Eglizy katôlika tao Minneapolis...
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco