Ny evanjely dia tena nisy ara-tantara, izany hoe tsy angano na zavatra noforonina. Ny fiangonana Reny Masina dia nitana ary mitana amin'ny fomba tsy azo hozongozonina ary tena tsy nisy fahatapahana fa ireo Vaovao Mahafaly efatra voalaza ireo izay ambarany tsy misy fihambahambana ny fisiany ara-tantara nitrangany dia mampita marina izay zavatra nataon'i Jesoa zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Alahady 12 oktobra 2025 : Alahady faha-28 mandavantaona — D — Mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra. Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Raha miaritra isika, dia hiara-manjaka amin’i Kristy. Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, hitan’ireo firenena ny fahamarinany. ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena. Isaky ny manolotra ny Eokaristia isika, natsiaro fa voavela heloka tamin'ny sakramentan'ny fampihavanana, ny fahatsiarovan-tena ho afaka dia tsy afa-misaraka amin'ny fahatsapana ny loharano niavian'ny fahasoavana, mendrika hisaorana...

Marka dia tsy apôstôly fa araka ny voalaza ao amin'ny Asan'ny apôstôly, niaraka tamin'i Md Paoly sy Barnabe tamin'ny dia be nataon'i Paoly voalohany kanefa nitsoaka andaharana ka niverina tany Jerosalema. Mpiara-miasa akaiky tamin'i Paoly izy. Matio dia anisan'ireo apôstôly 12 lahy, misy tsy mitonona ny momba azy mivantana hoe Matio fa ataony hoe Levi... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Avy amin'ny apôstôly ny evanjely satria milaza izany ireo mpanoratra taranainy. Taorian'ny nahafatesan'i Jesoa sy ny nitsanganany ary ny niakarany any an-danitra sy ny nidinan'ny Fanahy Masina dia niparitaka nanodidina ny ranomasina Mediterane ny Eglizy. Mba halalana ny marina momba ny fiangonana dia tsara ny handalinana ireto : Papias de Hyerapolis, Tatienne... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Maro an'isa eto Madagasikara ny tanora, hery lehibe ho an'ny firenena izy ireo. Azo atao tsara ny manomana sy manome asa sahaza ho azy ireny. Isan'izany ny fametrahana ireo tanora ho amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra. Madagasikara rahateo firenena mbola mifototra amin'ny famokarana satria ny maro an'isa dia eny ambanivohitra avokoa. Isan’ireo tanora nisitraka fanohanana amin’ny fandraharahana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra izay Ramatoa RAZAFIARILALA Julie, tanora tantsaha avy ao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo ao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo ato amin’ny faritra Analamanga...

Eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia tandra vadi-koditra ny fisendrana olana izay miseho amin'ny endriny maro samihafa. Azo avadika ho fiombonam-piainan'ny fianakaviana anefa izany rehefa hiarahana mitady ny vahaolana, indrindra ao anatin'ny fianakaviana ka hamelona fanantenana ho an'izany fianakaviana izany. Indrindra raha apetraka hialoha lalana eo ampamahana ny olana Andriamanitra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny Evanjely dia avy amin'ny Apôstôly ary ny votoatiny dia ny toritenin'ny Apôstôly. Ny fiangonana dia nitana ary mitana fa ny fiavian'ny vaovao mahafaly efatra dia ny Apôstôly. Ireo zavatra notorian'ny Apôstôly araka ny baikon'i Kristy, nampitain'ireo Apôstôly sy  ireo lehilahy niara-belona taminy avy eo, noho ny fitsofan'ny Fanahin'Andriamanitra no fototra iorenan'ny finoan'ny kristiana... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Tsy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena amin'ny taona 2028 intsony ny filoha Andry Rajoelina, tsy maintsy foana tanteraka ny delestazy mandra-pahatapitry ny fe-potoana hiasany, raha ny nambarany androany tamin'ny fihaonany tamin'ireo hery velona rehetra teny Iavoloha... ♦ Miroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy manerana ny nosy, manameloka ny fampiasana herisetra amin'ireo vahoaka manao ny hetsika an-dalambe ihany koa izy ireo... ♦ Miatrika lalao hihaonana amin'i Comores anatin'ny fifanintsanana ho any amin'ny Mondial 2026 indray ny Barea amin'izao fotoana izao...

♦ Olona 4 farafahakeliny no nosamborina vokatry ny hetsi-pitakiana tao an-drenivohitra androany. Olona maromaro no naratra teny Anosibe sy ny manodidina amin'izay hetsika nafàna tao an-drenivohitra izay... ♦ Naneho ny alahelony ny fianakavian'i Rivaldo, ilay tovolahy voatifitry ny basy tany Antsiranana, nandritra ny hetsika tany an-toerana. Nandiso ny nambaran'ny filoham-pirenena izy ireo fa tratra teo am-panaovana fandrobàna no nahafaty azy... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo sendikà mitaky ny zony, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Anisan'ireny androany ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny fambolena...

♦ Nangataka ny famindram-pon'ny filohan'ny repoblika hanafaka ny solombavambahoaka Mahavitara Sylvestre any am-ponja ny vadiny sady Ben'ny tanànan'i Vangaindrano. Hojerena ny momba izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Misy ireo olona nofonjaina amin'ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna hoy izy... ♦ Mifampitaona eny Ambohijatovo indray androany ireo tanora Gen Z sy ny mpiara-dia aminy. Hentitra nefa ny fitandroana filaminana avokoa ny lalana miditra an'Analakely sy Ambohijatovo... ♦ Tsy marina hoy ny Fitsaràna fa misy amin'ireo mpianatra nosamborina nanao fihetsiketsehana notazomina am-ponjy vonjy maika no tsy noraisin'ny mpandraharahan'ny Fonja...

♦ Miantso fitokonambe anio ny tanora mivondrona ao amin'ny Gen Z. Miroso amin'ny fitokonana faobe koa ny sendika efatra ao amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Baolina kitra : voahazon'ny Barean'i Madagasikara ny laharana faharoa ao anatin'ny Vondrona I, misy azy na ahoana na ahoana ny vokatry ny lalao fahafolo farany amin'ny alahady izao... ♦ Niara-nanaiky ny dingana voalohany amin'ny fifanarahana naroson'ny filoha amerikana Donald Trump handaminana ny ady any Gaza ny Hamas palestiniana sy ny fanjakàna Israeliana. Dingana, mamaritra ny fifanakalozana babo an'ady sy takalon'aina...

Ny Testamenta Vaovao diamisy boky 27 mandrafitra azy izay azo sokajiana toy izao : Ny Evanjely 4, Asan'ny Apôstôly, Taratasin'i Md Paoly 13, Taratasy ho an'ny Hebrio, Taratasy Katolika 7, Ny fanambarana na ny Apôkalipsa. Ny Evanjely no fara-tampony noho izy indrindra fanamarinana manokana mahakasika ny fiainan'ny Teny tonga Nofo, mpamonjy antsika... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...