Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 11, 1-18)

Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
dia ren’ny Apôstôly sy ny rahalahy tany Jodea
fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily.
Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera,
dia nomen’ireo mpino voafora tsiny, nataony hoe:

“Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora,
sady niara-nihinana taminy?”

Dia nitantara ny zava-niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe:

“Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho,
dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe
nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra,
tonga tao amiko.
Nony nijery azy aho ka nandinika,
dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra,
ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina.
Ary nisy feo reko koa nanao hoe:

Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna.

Fa hoy izaho:

Sanatria, Tompoko,
tsy mba nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako.

Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe:

Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.

Intelo no naverina natao izany,
dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany.
Niaraka tamin’izay,
dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako,
nirahina avy tany Sezarea hankany amiko.
Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko:

Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo.

Dia niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto,
ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.
Notantarain-dralehilahy taminay
ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony,
ka nanao taminy hoe:

Maniraha ho any Jôpe,
ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera,
fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao
sy ny ankohonanao rehetra.
Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho,
dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina.

Tamin’izay, dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

I Joany nanao batemy tamin’ny rano,
fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina.

Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika
izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo,
iza moa aho no afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?”

Nony nandre izany izy ireo,
dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana
hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 41, 2-3 ; 42, 3. 4.

Mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona ny fanahiko.

Mova tsy serfa izay lian-doharano.
Ny foko efa liana ny Tompoko!
Mangetaheta ny Tompo ny foko,
dia Ilay Andriamanitra velona.
Mba rahoviana aho re no handroso,
hiseho anoloan’Andriamanitra?

Tsilovy aho hahita ny lalana,
tariho mba hahita azy marina.
Hitody any am-bohitrao masina,
ilay toerana ataonao fonenana.

Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro,
higoka ny tena hasambarako.
Valiha no hanaraka ny hirako,
hidera ny Tompo Andriamanitro!

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)

Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Izaho no Mpiandry ondry tsara.
Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
fa ny mpikarama kosa,
noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry,
vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry,
fa ny ambodia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara,
sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa,
ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity,
ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko;
dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy:
satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy;
manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray:
izany no didy azoko tamin’ny Raiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Izaho no varavarana fidiran’ny ondry.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa,
dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony:
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.”

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.
Koa hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 14. 43-52)

Indro hankany amin’ny Jentily izahay.

Tamin’izany andro izany, i Paoly sy i Barnabe dia niala tany Perja,
ka tonga tany Antiôkia any Pisidia;
ary niditra tao amin’ny Sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Rehefa nirava ny fiangonana,
dia betsaka ny Jody sy ny prôzelita nanompo an’Andriamanitra,
no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa,
niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Tamin’ny sabata manaraka,
dia saika tafangona nihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany,
ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe:

“Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra,
nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay,
dia indro hankany amin’ny Jentily izahay.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:
Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianao,
mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany”.

Faly ny Jentily nony nandre izany ka nankalaza ny tenin’ny Tompo,
ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna,
ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo,
dia lasa nankany Ikôniôma;
ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 99, 2. 3. 5

Isika vahoakany sy ondry eo an-tanany.

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava anoloany amin-karavoana,
ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.

Izy no nanao ka Azy isika,
vahoaka sy ondry eo an-tanany.
Idiro amin-tsaotra ny vavahadiny,
idiro amin-dera ireo kianjany.
Derao Izy, isaory ny Anarany.

Vakiteny faharoa

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 7, 9. 14b-17)

Ny Zanak’ondry Izay manjaka no hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina.

Izaho, Joany, nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina, avy amin’ny firenena rehetra,
sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra,
nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry,
miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.
Ary hoy ny iray tamin’ireo Anti-dahy tamiko:

“Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe,
nanasa sy nampadio ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Koa indreo izy eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra,
manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny,
ary hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony.
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo,
ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa.
Fa ny Zanak’ondry, Izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana,
no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy amin’ny loharanon’aina,
ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 27-30)

Homeko ny fiainana mandrakizay ny ondriko.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe:

“Izaho no Mpiandry ondry tsara”.

Ary dia niteny koa Izy nanao hoe:

“Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
omeko ny fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana,
ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao,
ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray.
Izaho sy ny Ray dia iray ihany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Maro ireo toerana eto anivon-tany no tsy fantatra firy ny tantarany, misy anefa ireo izay tsara ho fantatra. Ny tanàna Andranoro sy Ampasanimalo dia misy resaka fitiavana teo amin'olona roa nifankatia no niaviany. Andranoro dia nisy an'i Andriabodolova, izay taranaka vazimba, nahita sy nanambady zazavavindrano natao hoe Ranoro ; nametraka fepetra ny tsy hanononana "sira" io Ranoro io, anefa tsy voatandrin'i Andriabodolova izany ka lasa nody any anaty rano niaraka tamin'ny zanany i Ranoro. Ambohimanga dia vohitra iray nantsoina hoe Mahandriony mialohan'ny nanomezana any ny anarana Ambohimanga...

Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Hifantoka betsaka amin'ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly taona 2025–2030, ny asa hotanterahan'ny Filoha vaovaon'ny CSI, izay vao nandray ny asany androany... • Tokana ihany ny SPSM, dia ireo lany ara-dalana tamin'ny fifidianana, hoy ireo Birao mpikambana androany... • Mitodika amin'ireo tanora mpandraharaha eto Afrika ny fifaninanana “Prix Pierre Catel”...

• Tanora miisa 460 avy amin'ny Paroasy Katedraly Morombe sy ny Distrika Avaradrova no nanatanteraka ny fivahiniana masina nandritra ny telo andro tany Akilivalo Ankida... • Hiatrika lasy fiofanana ny 22 hatramin'ny 26 avrily ny Fanilon'i Madagasikara... • Manentana antsika hiaina ao anatin'ny fahanginana, amin'izao herinandro masina izao, ny Papa François...

♦ Toa misy fitanilàna ny fandraisana ireo filoham-pirenena vahiny ho avy eto Madagasikara, handray anjara amin'ny fivorian'ny COI, hoy ny antoko Tsara Tahafina... ♦ Somary atao latsa-danja ny fandraisana ireo mpampianatra nahavita fiofanana tamin'ny sekoly ambony toy ny ENS, raha mitaha amin'ireo mpiasam-panjakàna hafa... ♦ Karohina fatratra ankehitriny ilay vehivavy nikasi-tanàna ankizy iray tany Ampanefena-Vohémar... ♦ Manentana antsika hiaina ao anaty fahanginana ny Papa François amin'izao Herinandro Masina izao. Fotoana fisaintsainana sy hahatsiarovana ny ady misy eo amin'ny fahazavana sy ny haizina...

Miteraka resabe eto amin’ny firenena ankehitriny ny handraisantsika ny fihaonana an-tampony ho an’ireo firenena mivondrona ao amin’ny COI na ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, ny 24 avrily izao, ka hahatongavan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron eto amintsika. Misy ny mankasitraka izany, izay milaza fa voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara, ary hitondra tombontsoa ara-toekarena ho antsika ny fandraisana azy io; ao indray koa ireo milaza fa fanindrahindrana ny frantsay, ary fanjanahana amin’ny endriny vaovao no hahatongavan’ny Filoha Frantsay eto. Marihina fa ho avy eto koa ireo Filoha amin’ireo nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, kanefa dia toa anarana iray ihany no averimberina amin’ireo vahiny ho avy. Misy antony ve?

♦ Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, ary nisy ny voasambotra nandritra ny hetsika nataon'ny mponina tany Vatomandry ny sabotsy teo. Tsy mankasitraka ny fametrahana samboady ho an'ireo ben'ny tanàna izay ambaran'izy ireo fa tsy lanim-bahoaka... ♦ Hitarina sy asiam-panamboarana ireo seranam-piaramanidina maromaro izay tantanan'ny ADEMA manerana ny nosy, mba ahafahana mandray ireo sidina iraisam-pirenena... ♦ Ezahina homena kôpia naterahana avokoa ireo ankizy miaina andalambe ao an-drenivohitra, raha ny fantatra nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizin'ny lalana ny faran'ny herinandro teo...

Araka ny Konsily Vatikana-I dia rafitra lavorary miendrika an-tanan-tohatra ny Eglizy, ny Papa no filohany. Tsy mety diso izy raha mampianatra momba ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy rafitra fotsiny ny Eglizy fa misterim-piombonana ihany koa, miombona anatin'ny finoana, ny Sakramenta ary ny fitiavana, famantaram-pamonjena ho an'ny olona... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

♦ Handray tsy ho ela ny fihaonana an-tampon'ny COI isika eto Madagasikara, mbola mizarazara ny hevitra manoloana ny fampiantranoana izany... ♦ Manana ny toerana amin'ny vokatra oratsimba "langouste" ny Faritra Anôsy satria mahatratra 400 taonina isan-taona ny vokatra avy any amin'ity Faritra ity... ♦ Ho fararanon-danonana ny any amin'ny Sekolim-pirenena ENAP Antetezambaro Toamasina, amin'ny zoma 18 avrily ho avy izao... ♦ Mbola manjavozavo ny ho fizotry ny dinika momba ny nokleary eo amin'i Etazonia sy Iran anio sabotsy...

Ny fianakaviana iray dia tokony hiaina ny fitiavana sy ny fifanajana. Ny Didy fahaefatra amin'ny Didin'Andriamanitra, voalohany misy teny fampanantenana "Manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Ny Soatoavina Malagasy dia tsara amin'ny lafiny fifanajàna ka tokony hiainana hatrany. Ny fankatoavana ny ray aman-dreny dia zava-dehibe anefa ilaina ihany koa ny fifanankalozan-kevitra amin'ny fianakaviana manoloana fanapahan-kevitra, indrindra rehefa hiroso amin'ny fanambadiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...