♦ Manome vahana fanaovan-dratsy sy fiarovana olona ambony ny HCJ hoy ny solombavambahoakan'Arivonimamo. Noraisin'ity olomboafidy ity ohatra ny raharaha Boeing 777, izay mahavoarohirohy olon'ny fitondràna... ♦ Miantso dinika amin'ny Fanjakàna sy ny mpapiasa ny Fisemare, hampiakarana ny karaman'ny mpiasa amin'izao fidiran'ny mpianatra izao... ♦ Misy amin'ireo mpilalaon'ny Barea nanao lalao famaranan'ny CHAN farany teo no efa nisy nividy sahady hilalao any ivelany. Mpilalao roa hafa koa no efa tsiriritin'ireo klioba vahiny hanatevina ny ekipany... ♦ Mihamafy ny fifandonana eo amin'ny AFC/M23 sy ny Fanjakàna Congolais any Nord-Kivu...
Fatra-pandini-javatra ny Ntaolo Malagasy, vokatr'izany fandinihan-javatr izany no amoahany ny ankamaroan'ireo fiheverana mbamin'ny fitsipi-piaina amam-pitondran-tena izay niteraka ireo kolontsaina nampiavaka azy ary mbola ifandovan'ny taranaka amam-para mandraka ankehitriny. Tsy mba nampiasa soratra nenti-nandrakitra ireny kolontsaina ireny anefa ny Malagasy fa tadidivava, isan'ny lahabolana nampitàna izany ny "Angano". Ny angano dia tantara misy fototra marina tany am-boalohany...
♦ Nigadona eto Madagasikara alina ny kabeson'ny Ampanjaka Toeran'i Menabe sy ireo miaramila roalahy niaraka taminy. Hisy ny hetsika fanomezam-boninahitra eto Antananarivo anio... ♦ Hahazo "Bourse Professionnelle" isam-bolana ireo mpilalaon'ny Barea mandram-pahatongan'ny CHAN 2027. Noraisin'ny filoham-pirenena teny amin'ny Lapa-panjakàna Iavoloha izy ireo sy ny fianakaviany avy omaly... ♦ Ahiana ho dibo-drano Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pahavaratra noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera. Titra 42 no azon'orinasa sy olon-tsotra eny an-toerana hoy ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina...
Andriamanitra no mpahary, manana adidy hiahy sy hamelona ary hamonjy ny olombelona izay nohariany Izy. Lavo noho ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny olombelona satria nandika ilay fandraràna (Voankazo voarara). Samy tompon'andraikitra i Adama sy Eva tamin'ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ; isika kristianina ankehitriny raha mitazana fotsiny ny loza mety hahazo ny ralahintsika sy ny namantsika dia meloka... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hahazo “bourse professionnelle” isam-bolana ny mpilalaon'ny Barea, mandram-pahatongan'ny CHAN 2027, raha ny nambaran'ny Filoha Andry Rajoelina androany, raha nandray ny Barea teny amin'ny Lapan'Iavoloha... • Ahiana ho dibo-drano Antananarivo Renivohitra rehefa fotoam-pahavaratra, hihena ihany koa ny voka-bary noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera... • Amin'izao herinandro mialoha ny fidirana izao ny ray aman-dreny vao mihazakazaka mampiditra mpianatra eny anivon'ireny sekoly tsy miankina ireny...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
♦ Marary ny firenena. Miandry asa mivaingana ny rehetra manoloana izany. Isan'ny nivoitra tamin'ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny RARINY sy ny FIADANANA, manoloana ny fanamarihana ny iray volan'ny fihariana nanomboka androany... ♦ Nidina indray ny vidin'ny lasantsy sy ny gasoil eny amin'ny toby mpaninjara izany nanomboka androany voalohany volana septambra raha toa ka niakatra kosa ny solitany fandrehitra ; nihena 170 ariary/litatra ny gasoil... ♦ Hanomboka amin'ny alakamisy 4 septambra izao ny FIA hatao etsy amin'ny CCI Ivato. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana hoy ny tompon'andraikitra...
Hiompana manokana amin’ny fanatanjahantena indray ny Arofanina amin’izao alatsinainy voalohan’ny volana septambra izao. Mazava hoa azy, ny baolina kitra! Mendrika ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara nandritra iny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao mila ravinahitra any ivelany iny, na ny CHAN 2024. Tafita tany amin’ny dingan’ny lalao famaranana ny Malagasy.
♦ Tontosa tao amin'ny Diôsezin'i Morondava ny androm-pirenen'ny olon-dehibe andiany faharoa. Androm-pirenena nandritra ny telo andro nofaranana tamin'ny Sorona Masina fanirahana omaly. Afaka efa-taona indray ny andiany fahatelo... ♦ Noraisin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny fitsenana makotroka omaly ny Barean'i Madagasikara avy niatrika ny CHAN tatsy Kenya. Laharana faharoa tompon-daka lefitra tamin'ity taona ity ny Malagasy... ♦ Mankalaza ny faha-10 taona nijoroana ny hetsika ROHY. Tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana teny amin'ny FJKM Ambatonakanga no nanombohana ny fankalazana...
Teny tokana Andriamanitra, Jesoa teny tokan'Andriamanitra, tsy misy toa azy ary tsy misy azo ampitahaina aminy, Masina sy lavorary. Tsy mitovy amin'ny fahalavorarian'Andriamanitra ny fahalavorarian'izay rehetra nohariany, eny fa na ny olombelona aza. Ny andro fahaenina no naharian'Andriamanitra ny olombelona, fa tamin'izany ihany koa no nahariany ny biby fiompy izay fanao sorona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy sôsialy ary ny fiarovana ny tontolo iainana eo amin'i Madagasikara sy Colombie. Mitsidika eto Madagasikara ankehitriny ny filoha lefitra Colombien... ♦ Maro ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany goavana natao teto Madagasikara, saingy tsy hita mivantana ny tombontsoa ara-toekarena ho antsika Malagasy tamin'izany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Azon'ny Barea atao tsara ny mandresy ny Marôkana amin'ny lalao famaranan'ny CHAN anio hariva, hoy ireo mpamakafaka baolina Kitra... ♦ Mankalaza ny tsingerin-taona faharoa izay ambarany ho fetim-pirenena ho fanafahana i Gabon...
♦ Hitarika ny delegasiôna Malagasy hanohana ny Barea amin'ny lalao famaranana amin'i Maroc anio any Kenya ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Mahatratra 121 ireo manana ny fahazoan-dalana hanjono aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara ankehitriny hoy ny Ministry ny Jono sy ny Toe-karena Manga... ♦ 80% amin'ny Malagasy no mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana. Nivoitra izany nandritra ny fanamarihana ny andro Afrikanina ho an'ny fitsaboana nentim-paharazana teny Anosy omaly... ♦ .Manomana fanafihana mahery vaika any GAZA indray ny tafika Israeliana, atao tanànan'ny Ady mampididoza i Gaza, raha ny fampitandremana nataon'ny tafika Israeliana...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco