Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 5-8. 14-17)

Nametrahany tanana izy ireo ka nandray ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany,
i Filipo Diakra, dia nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!
Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema
fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria,
dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.
Nony tonga tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona
mba handraisany ny Fanahy Masina;
satria vita Batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo izy ireo,
fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.
Dia nametrahany tanana izy ireo,
ka nandray ny Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 65, 1-3a. 4-5. 6-7a. 16 sy 20

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo;
antsao ny Anarany be voninahitra.
Ataovy mafy ny antso fideràna Azy:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.

Miankohoka aminao ny tany tontolo
sy miantsa ny Anaranao, miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra,
mahatahotra ny ataony ho an’ny olombelona.

Ny ranomasina novàny ho tanety,
nandehanana tongotra ny ony.
Koa aoka isika hifaly aminy.
Ny heriny manapaka mandrakizay.

Tongava ianareo matahotra ny Tompo,
hitantaràko izay nataony tamiko.
Hisaorana anie Andriamanitra:
Ny fitiavany tsy nalàny tamiko.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 15-18)

Novonoina tamin’ny nofo i Kristy fa novelomina tamin’ny fanahy.

Ry hava-malala,
i Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo.
Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana,
an’izay rehetra manontany anareo
ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo,
mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra
no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara
ataonareo ao amin’i Kristy.
Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana,
raha izany no sitrapon’Andriamanitra,
toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.
Na i Kristy koa aza,
niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika,
dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra,
ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo,
dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 15-21)

Hangataka amin’ny Raiko Aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray,
ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo,
mba hitoetra eo aminareo mandrakizay,
dia ny Fanahin’ny fahamarinana,
izay tsy azon’izao tontolo izao raisina,
satria tsy hitany, ka tsy fantany,
fa ianareo no hahafantatra Azy,
satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Tsy havelako ho kamboty ianareo,
fa hankaty aminareo Aho.
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao;
fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho,
ary ho velona koa ianareo.
Amin’izany andro izany,
dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko,
ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko sy ho tiako koa,
ka haneho ny Tenako aminy Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Manatanteraka fihatahana masina any amin'ny nosy Maorisy, ireo Evekan'i Madagasikara taorian'ny fivoriana nataony teto Antananarivo... ♦ Hiroso amin'ny fampiatoana ny fampianarana anio ireo mpampianatra an-tselika eny amin'ny Polytechnique. Nitondra fanazavana an-taratasy momba ny fitakian'izy ireo etsy ankilany ny ministera mpiahy... ♦ Mbola misy koa ireo andininy tsy mampitovy hevitra ireo solombavambahoaka sy ny ministera tompon'andraikitra momba ny lalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Hihaona any Bruxelles amin'ny alahady izao ireo mpitondra any Arménie sy Azerbaïdjan...

♦ Misy ihany ny fanambakana sy ny fambotriana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ao anatin'ilay volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany, hoy ny Solombavambahoaka androany, nandritra ny fandinihana voalohany ity volavolan-dalàna ity... ♦ Nidinika momba ny fanohanana bebe kokoa an'i Madagasikara androany, ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nandray ny iraky ny FMI, teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo... ♦ Misy ireo minia mamotika ny orinasa Jirama, hoy ny antoko Otrikafo androany, Ny fampiasana ny menaka mavesatra avy any Tsimiroro hatrany no vahaolana aroson'ny antoko...

♦ Hanatanteraka fitsidihana any amin'ny Distrikan'i Begavo, eo ambany fiarovan'i Masindahy Luigi Orione, ny 21 mey 2023, i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Mankalaza ny faha-60 taonany ny Sekoly Masindahy Josefa Morombe... ♦ Hotontosaina ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Katôlika. Mikarakara izany ny avy ao amin'ny FFBKEM...

♦ 8 miliara Ariary no teti-bola handoavana ny tambin-karaman'ireo mpiandraikitra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, manerana an'i Madagasikara. Natomboka tany Toliary ny fizaràna izany... ♦ Rongony milanja 46,5kg no tratra vokatry ny fifanomezan-tanana tamin'ny fokonolona, ny zandary any amin'ny Distrikan'i Vondrozo, omaly maraina... ♦ Niantso ny federasiôna Malagasin'ny Baolina kitra ny Filohan'ny Repoblika, ny handoavana ny "Primes" na ny fankasitrahana manokana ho an'ireo mpilalaon'ny Barea, izay nandray anjara tamin'ny CHAN farany teo...

♦ Tsy mpisehatra ara-politika ny Bianco, na ny Birao maheleo tena miady amin'ny kolikoly ka ho roitin'ny mpanao pôlitika araka izay hitiavany azy, hoy ny tale jeneralin'ny Bianco... ♦ Fanamby napetraky ny Filohan'ny repoblika ny aha-goavana sy hampahomby ary ahalavorary indrindra ny lalaon'ny nosy 2023, oharina amin'ireo nisy hatramin'izay... ♦ Nahatratra hatrany amin'ny dimanjato ireo mpiasan'ny haino vaky jery nandray anjara tamin'ilay fifaninana "Tournoi Inter média" teny Mahamasiina".

♦ Tsy miova ny fenitry ny Fitsarana: mahaleo tena, mitsara ara-drariny, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany, raha naneho ny heviny mikasika ny raharahan-dRamatoa Raïssa... ♦ Nanokatra fanadihadiana momba ilay teratany vahiny, Dylan Thiry, ny Pôlisim-pirenena Malagasy. Niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera fa mikasa ny hanondrana zaza Malagasy izy... ♦ Hapetraka eo amin'ny tontolon'ny fandraharahana ny antsoina hoe SMAC, sehatra hifehezana ny ady amin'ny kolikoly, eo amin'ny lafiny fandraharahana. Isan'ireo teboka dimy lehibe nifaneken'ny GEM, ny FIMPAVA ary ny BIANCO izany androany...

♦ Manatanteraka ny Fivoriambe voalohany, fanao isan-taona, ny Fivondranamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hotanterahana ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika... ♦ Ho fanatsarana hatrany ny fanabeazana ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara, dia nisy fiofanana nandritra ny telo andro, notanterahana ny faran'ny volana aprily teo, teny amin'ny Akamasoa...

♦ Miisa 14 ireo mpitrandraka an-tsokosoko, tratra tao amin'ny faritra arovana Menabe Antimena, tao anatin'ny telo andro. Efa nampidirina am-ponja vonjy maika ny folo tamin'izy ireo... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 80.000 Ariary ny kilao amin'ny lavanila masaka, any Vohémar. Tsy antenaina hamaha ny olana ny rafitra vaovao CVM, hoy ny Solombavambahoaka any an-toerana... ♦ Mitaky ny mangarahara sy ny fandoavana ny anjara volany tamin'ilay Prize Money, azon'ny Barea tamin'ny Chan farany teo, ireo mpilalao...

13 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)

12 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)

11 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...