Tamin’izany andro izany i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe : “Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina, fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo, ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny.” Ary hoy Izy : “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.” Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy taminy: “Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.” Dia hoy Izy : “Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra ? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny ; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela ; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.”
Tamin’izany andro izany, tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy. Fa nisy olona maro nanodidina Azy, dia nilazana Izy natao hoe : "Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao". Fa novaliany hoe : "Iza moa no reniko sy rahalahiko ?" Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe : "Ireo no reniko sy rahalahiko ; fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko".
Tamin’izany andro izany, niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe : "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy ; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino : Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny".
Ny fifandraisana eo amin' ny Raiaman-dReny sy ny zanaka. (01-01-2021)
Tamin’izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo : "Efa very saina Izy".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera ; ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba, izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy, izany hoe zana-baratra ; ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty, ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.
Tamin’izany andro izany: Lasa nankany amin’ny ranomasina niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy. Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany, ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka fandrao dia poritin’ny olona Izy. Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe : "Ianao no zanak’Andriamanitra" ; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.
Indray Sabata, i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao. Ary nizaha taratra Azy ny sasany na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy. Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana : "Mitsangàna etsy afovoany". Ary hoy koa Izy tamin’ny olona : "Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe : "Ahinjiro ny tananao". Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany. Ary lasa nivoaka ny Farisianina : ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy.
Indray sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany, ka hoy ny Farisianina taminy : "Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata ?" Fa hoy Izy taminy : "Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy ? Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa". Dia hoy koa Izy taminy : "Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata. Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza".
Tamin’izany andro izany : fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe : "Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady ?" Ary hoy i Jesoa taminy : "Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy ; fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao ; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta ; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra ; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa".
Tamin’izany andro izany, teo i Joany sy ny mpianany roa lahy, ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo : “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”. Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa. Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe : “Inona no tadiavinareo ?” Ary hoy izy ireo taminy : “Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra ?” Dia hoy Izy taminy : “Avia fa ho hitanareo”. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny ; ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay. I Andre rahalahin’i Simôna Piera no anankiray tamin’izy roa lahy izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa. Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe : “Efa hitanay ny Mesia” (izany hoe i Kristy, raha adika). Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa i dia nanao hoe : “Ianao no i Simôna zanak’i Joany ; hatao hoe i Sefasy ianao”, izany hoe, Piera (vato).
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy. Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe : "Andeha hanaraka Ahy". Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany ; fa maro ireo, ary nanaraka Azy. Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe : "Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota?" Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe : "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary ; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota".
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco