Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza ; dia nitory teny taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe : "Anaka, voavela ny helokao". Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo, ka nanao anakampo hoe : "Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany ? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?" Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy : "Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo ? Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe : Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy) : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao". Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : "Tsy mbola nahita tahaka izany izahay".

Tamin’izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: "Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy". Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: "Mety aho, madiova ianao". Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy nanao hoe: "Tandremo, aza milazalaza izany na amin’iza na amin’iza ianao fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka". Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre. Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony, ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy. Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe : "Tadiavin’ny olona rehetra Ianao". Fa izao no navaliny : "Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa ; fa izany no nivoahako". Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona sy eran’ny Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.

Indray sabata, raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa sy ireo nanara-dia Azy, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ary nampianatra azy ireo Izy. Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna. Ary tao amin’ny sinagôgany, dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao ? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra". Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe : "Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io". Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe : "Inona itý ? Fampianarana vaovao inona re itý ? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy". Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

Nony natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe : "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely". Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy : "Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo". Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

Tamin’izany andro izany, nitory teny i Joany nanao hoe : “Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”. Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko”.

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Raha hanontany anao aho izao hoe : oviana i Jesoa no teraka ? 25 Desambra hoy ianao. Tsy tena fantatra anefa hoe andro inona no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny ao amin’ny baiboly koa tsy nisy nilaza izany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona. I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy; fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany. Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany, ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: "“Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra". Dia namaly i Joany ka nanao hoe: "Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe: Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra, fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha tao amin’ny tanàna anankiray, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, sy niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: “Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.” Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao”, ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy. Ary hoy Izy: “Mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.” Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny; Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...