Nanolotra fiara mpitondra marary na "ambulance" iray ho an'ny Aumônerie Apostolique misahana ny olona sahirana ny Papa François, ny marainan'ny alahadin'ny pantekôty teo.

02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.

01 jona — Martiry tamin’ny taonjato faharo i Masindahy Justin, avy any Flavia Neapolis izy na antsoina hoe Naplouse any Palestine amin’izao fotoana izao. Mpanompo sampy ny ray aman-dreniny, nanan-katao tokoa izy ireo ary nandalina ny kolontsaina sy ny fiteny grika ka afaka tsara nampianatra an’i Justin.

31 mey — Ny famangian'i Maria an'i Elisabeth dia voatantara ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56. Tsaroana etoana ny fahamaizan'i Maria hiakatra ny tananan'i Juda, hitoetra eo akaikin'i Elisabeth zokiny, izany hoe tanana 6 km andrefan'i Jerosalema.

30 mey — Teraka tamin'ny 06 janoary 1412 tao Barrois ao Domrémy i Masimbavy Jeanne d'Arc. Ny 30 mey 1431 izy no nodimandry tao Rouen. Jacques d'Arc sy Isabelle Romée no anaran'ny ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo ka nanan-katao tokoa.

Vonona hatrany hanohana sy hikarakara ny marary sy ireo olona marefo ao amin’ny faritr’i GAZA ny CARITAS ao Jerosalema. Nanamafy izany ny tale mpanatanterak’io sampana mpanao asa soa io.

Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.

29 mey — Teraka tao Silly, Poitou tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo i Maximin. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipoirany ary nalaza tamin'ny fahamasinana. Hatramin'ny nahaterahany i Maximin dia nahazo fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voaantso ho mpiandry ondry eo amin'ny Fiangonana.

28 mey — Zanak'olona manan-katao i Masindahy Germain. Tao Autun izy no teraka. Nalaim-panahy ny reniny saika hanala azy tamin'izy mbola tany am-bohoka, ary ny nenitoany tao Avallon, nandritra izy nianatra dia saika hanapoizina azy ihany koa, kanjo ilay zanaky ny nenitoany indray no nahasotro ilay poizina ka nalemy manandram-pahafaty.

(27-05-2020) Ny safidy sy ny talenta nomen' Andriamanitra no maha tafita eo amin'ny fiainana.

27 mey — Niaina tamin'ny tapany faharoa amin'ny taonjatoa fahenina sy ny fiatombohan'ny taonjato fahafito i Masindahy Augustin. Mpitoka-monina tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Roma izy, ary tao no nahafantarany sy ireo asa soratra masina. Avy eo izy lasa lehiben'ny ankohonam-piainana Saint-André.

26 mey — I Philippe Néri dia teraka tao Florence ny 21 jolay 1515. Notaire ny rainy. Tao amin'io toerana io ihany koa izy no notezaina. Nantsoina hoe Philippe kely tsara fanahy izy tamin'izany, noho izy tsara toetra sy malefaka ary mahatehotia.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...