14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.

13 mey — I Masimbavy Dominique Mazzarello dia teraka tao Mornese tao Piémont tamin'ny 9 mey 1837. Enina no isan'ny iray tampo aminy. Tsy mba nisy sekoly tao an-tanana, ka dia ny rainy no nampianatra azy namaky teny sy nanisa.

Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)

12 mey — Andeha i Md Nérée sy Md Achilée no ho resahintsika satria martiry niaraka izy ireo. Izy ireo dia mpanompon'i Masimbavy Flavie Domitilla, ary ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an'io zanaky ny mpanjaka io, sy nahatonga azy nahatoky azy ireo.

 Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.

Niantso ny Kardinaly Odilo SCHERER, arsevekan’i SAO PAULO any Brésil i Papa François, nanehoany ny ahiahiny manoloana ny firongatry ny fifindràn’ny tsimokaretina coronavirus  sy ny fahafatesana aterak’izany ao amin’ny arsidiosezy iadidiany.

11 mey — I Masimbavy Estelle dia romanina ny rainy ary légat tao Saintes. Niana tany amin'ny taonjato voalohany tany izy io. Rehefa avy nihaino ny fampiananran'ny Masindahy Eutrope izy, eveka voalohany tao Saintes, dia nangataka atao batemy ary lasa mpianany.

10 mey — I Masimbavy Solange dia teraka tao amin'ny tanànan'i Saint Martin du Crot, ao Berry, ary tao ihany izy no maty ny 10 mey 878. Ny nandaniany ny androm-piainany dia niandry ny ondrin'ny rainy sy nivavaka tamin'izany andro izany.

09 mey — Ny Pacôme resahina amin'ity androa ity dia ilay Pacôme teraka tamin'ny taona 292, tany Thébaïde. Mbola tsy kristianina ny ray aman-dreniny, ary tambanivohitra ihany koa nefa nanan-karena ihany. Nianatra namaky ny soratra copte i Pacôme.

Ho feno zato taona amin’ny 18 Mai izao ny nahaterahan’i Karol WOJTYLA izay lasa Papa Joany Paoly faharoa ary efa olomasina ankehitriny.

08 mey — I Md Désiré dia teraka tao Sancy tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-6. Nobehazina tamin'ny fitiavam-bavaka kristianina izy sy ny fandalinana ny haisoratra, niaraka tamin'ireo rahalahiny roa, ary fantan-daza tao an-tanàna tamin'ny hatsaram-panahiny.

(07-05-2020) Fanabeazana ho olom-pirenena vanona ho raiamandreny sy zanaka tompon'andraikitra.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...