• Nankahery ny pretra hijoro ho vavolombelon'ny fahasoavana azo avy amin'ny fanosorana, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny Sorona Masina nanamasinana ireo menaka masina androany teny amin'ny EKAR Antanimena... • Mbola tsy misitraka ny rano fisotro madio ny 40 isan-jaton'ny Malagasy hatramin'izao. Fantatra izany androany, nandritra ny fanokafana ny Herinandrom-pirenena momba ny rano... • Mila manavao ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana manaraka ny vanim-potoana misy ankehitirny ny orinasa Base Toliara, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine...
Ny fivoaram-piainan'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana homena azy. Ny hoe "mankatoa" dia ahitana foto-teny hoe "toa" manaiky amim-pitiavana. Tsapa amin'ny fihetsika sy ny teny ny fankatoavana ataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny antony mahatonga ny ankizy tsy hakantoa : ny fampitoviana ny fomba fiaina tamin'ny taona taloha sy ny ankehitriny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Miakatra fitsaràna ao Vatomandry amin'ity androany ity ireo olona miisa telo voasambotra nandritra ny hetsika fanoherana ny fametrahana samboadin'ireo ben'ny tanàna tany an-toerana ny sabotsy 12 avrily lasa teo... ♦ Efa mipetrapetraka avokoa ireo paik'ady hitandroana ny filaminana mandritra ny fivoriana fahadimin'ireo filoham-panjakàna aty amin'ny vaomieran'ny ranomasimbe indianina hoy ny talen'ny fiarovana sy ny angom-baovao anivon'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Miisa 12 ankehitriny ireo vokatra vita eto an-toerana misitraka fiarovana avy amin'ny ANMCC noho ny fitobaky ny vokatra avy any ivelany manimba ny tsena atao anatiny...
♦ Mikendry ny hanavaozana ireo fitaovam-pitiliana sy singa mandrafitra ny famantarana ny toetry ny andro ny tetik'asa SOFF, tetik'asa izay vatsian'ny PNUD vola hatrany amin'ny 5 tapitrisa Dollar... ♦ Nizotra araka ny tokony ho izy ny fanavaozana izay nataon'ny Fanjakàna Malagasy tamin'ny FEC sy FRD hoy ny solotenan'ny iraky ny FMI tonga teto Madagasikara... ♦ Tokony hanana fanolorantena iombonana amin'ny fitantanana mahomby sy mangarahara ireo orinasa hananan'ny Fanjakàna petra-bola hoy ny Praiministra Ntsay Christian raha nihaona tamin'ireo mpikambana amin'ny filan-kevim-pitantanana an'ireo orinasa omaly...
Mba ho tena ho tanteraka tokoa ny didim-pitiavana dia eo mandrakariva ny Fanahy Masina izay mitoetra amin'ny olona rehetra izay nandray ny Batemy. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana izany ireo izay tsy vita Batemy na koa mbola tsy mahalala an'Andriamanitra mihitsy? valiny hoe : fa izay tsy mahalala kosa na nanao zavatra mendri-pamaizana aza dia hokapohina kelikely ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Mampihena hatrany amin'ny 5 isan-jaton'ny PIB an'i Madagasikara, ny vola lany amin'ny voka-dratsin'ny loza voajanahary eto Madagasikara... • Hangatahana fiaraha-miasa amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Fokontany Behoririka, mba hisorohana ny loza niteraka faharatrana tahaka ny niseho androany teny an-toerana... • Hivoaka amin'ny 29 avrily izao ny didim-pitsarana ho an'ny Filohan'ny Sendika SIS FM...
♦ Tsy hita taratra indray ny fitsaharan'ny ady hevitra pôlitika amin'izao Herinandro Masina izao. Miezaka mamaly ny fanoherana hatrany ireo mpomba ny fitondràna, tato ho ato... ♦ Miomana sahady amin'ny vanim-potoanan'ny main-tany eto Antananarivo ny eo anivon'ny Ministeran'ny rano. Hitondra fanazavàna momba ireo fiomanana efa atao ny Ministra... ♦ Nampisahotaka ny mponin'i Ilanivato omaly hariva ny tranga nisy teny an-toerana. Lehilahy iray non voatifitry ny Pôlisy, saingy nahatezitra ny mponina, izay tafavory maro poatoizay... ♦ Nanoso-kevitra vaovao hisian'ny fifanarahana fampitsaharana ny ady ao amin'ny faritra Gaza, amin'ny Hamas ny fitondrana Israelianina...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 44-52)
Tamin’ny sabata nanaraka ny toritenin’i Paoly tao amin’ny sinagôga,
tany Antiôkia any Pisidia,
dia saika tafangona hihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany,
ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no navevateva azy.
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe:
“Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra;
nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay,
dia indro hankany amin’ny jentily izahay.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:
Efa natsangako ho fahazavan’ny jentily ianao,
mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany.”
Faly ny jentily nony nandre izany,
ka nankalaza ny tenin’ny Tompo,
ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra,
mbamin’ny loholona tao an-tanàna,
ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe,
sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo,
dia lasa nankany Ikôniôma,
ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao antsa vao ny Tompo:
fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny!
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjena amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay fitiavany tsy mivadika!
He zahao e, ry vazan-tany,
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Aleloia. Aleloia.
Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao,
dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.”
Dia hoy i Filipo taminy:
“Asehoy anay ny Ray, Tompoko
dia ampy ho anay izany.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko;
fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako
dia hotanterahiko avokoa,
mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo,
dia hotanterahiko izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 26-33)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Pisidia any Antiôkia i Paoly,
dia niteny tao amin’ny Sinagôga nanao hoe:
“Ry rahalahy taranak’i Abrahama
sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa,
ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,
satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny
dia tsy nahalala Azy,
ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata,
tamin’ny nanamelohany Azy;
ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo,
dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty.
Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy,
vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana.
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona.
Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin’izay niara-niakatra taminy
avy tany Galilea ho any Jerosalema Izy,
ka dia ireo no vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny.
Ary izahay koa mitory aminareo
ilay teny napetraka tamin’ny razantsika,
fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany,
tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona,
araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe:
Zanako Ianao: Izaho no niteraka Anao androany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 2, 6-7. 8-9. 10-11
Izaho no nametraka Azy ho Mpanjaka
eo Siôna vohitro masina!
Koa ambarako ny didin’ny Tompo:
Zanako Ianao, hoy Izy mantsy Ahy: Izaho no niteraka Anao androany.
Angataho amiko fa homeko ho lovanao ireo firenena,
ny ho fanananao ny faran’ny tany!
Poteho amin-tehim-by ireny,
ataovy fanamontsana vilany tany!
Koa mahafantara, ianareo Mpanjaka,
mahalalà, ry mpitsara ny tany!
Tompoy amin-tahotra ny Tompo;
orohy amin-kovitra ny tongony.
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko;
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
ary rahefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako.”
Dia hoy i Tômà taminy:
“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no ahafantaranay ny lalana?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 13-25)
Tamin’izany andro izany,
dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany,
ka tonga tany Perjy any Panfilia;
ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany,
ka lasa niverina tany Jerosalema.
Fa izy ireo kosa niala tany Perjy,
dia tonga tany Antiôkia any Pisidia,
ary niditra tao amin’ny sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany,
dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagôga nanao hoe:
“Ry Rahalahy,
ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.”
Dia nitsangana i Paoly,
nanofa tanana azy hangina ka nanao hoe:
“Mihainoa, ry Israelita,
sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra.
Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao
no efa nifidy ny razantsika sy nanandratra ny vahoaka
fony izy nitoetra tany Ejipta;
ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao.
Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy,
ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaana Izy
dia nanome ny faritanin’ireny ho fananany,
tokony ho dimampolo sy efajato taona.
Taorian’izay,
dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoela mpaminany.
Nony afaka izany,
dia nangataka mpanjaka izy ireo,
ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy,
lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina,
naharitra efapolo taona.
Nony nesoriny kosa indray i Saoly,
i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo,
dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:
Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitra-poko rehetra.
Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an’i Israely.
Talohan’ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;
ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy:
Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 88, 2-3. 21-22. 25 sy 27
Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny taona rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!
I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.
Ny fahamarinana sy hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao,
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy!
Aleloia. Aleloia.
Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)
Tamin’izany andro izany,
nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:
“Lazaiko marina dia marina aminareo:
Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony;
na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.
Raha fantatrareo izany,
dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidìko);
fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
Izay miara-mihinana mofo amiko
no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany,
mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 15-17. 20-26)
Tamin’izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan’ny rahalahy i Piera
(tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:
“Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida
momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao.
Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:
Aoka ho lao ny fonenany, ka tsy honenan’olona akory;
ary koa: Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.
Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika
tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika,
hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra,
dia aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.”
Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy,
dia i Jôsefa atao hoe i Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina, ary i Matiasy,
ka nivavaka nanao hoe:
“Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra,
ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto,
mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao,
izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.”
Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka,
ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8
Derao, ry mpanompon’ny Tompo,
derao ny Anaran'ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amy Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Ka miandroka Izy mijery,
na lanitra izany na tany.
Alàny amy fako ny ory.
Esoriny avy eo ny mahantra.
Apetrany anilan’andriana,
andriana izay fanta-bahoaka.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako,
ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo,
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo,
sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 24 — 13, 5a)
Tamin’izany andro izany, dia nandroso niely ny tenin’ny Tompo,
ka nahavokatra mpianatra maro hatrany.
Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema,
dia niverina tany Antiôkia izy,
ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra:
dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe i Mainty,
i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo
dia hoy ny Fanahy Masina taminy:
“Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe,
mba hanao ny asa izay niantsoako azy.”
Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo
dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.
Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe
ka lasa nankany Seleosia,
mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.
Nony tonga tany Salamina izy,
dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Sinagôgan’ny Jody.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 66, 2-3. 5. 6 sy 8
Hiantran’Andriamanitra anie isika, hotsimbininy,
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony.
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 44-50)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe:
“Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany,
fa izay naniraka Ahy;
ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy.
Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho,
mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy,
dia tsy mitsara azy Aho;
satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako
fa hamonjy azy.
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko,
misy izay hitsara azy:
dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,
satria tsy niteny ho Ahy Aho,
fa ny Ray izay naniraka Ahy
no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko.
Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay.
Koa ny zavatra lazaiko àry,
dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco