Raha ny hita ao amin'ny Testamenta Taloha dia izao no voasoratra : " Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasinana azy, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao ; eto dia mazava fa ny andro sabata no tsy maintsy tandremana sy hakamasinina. Raha hitarina kely ny heviny araka io didin'Andriamanitra io dia andro fitsaharana io. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Araka izay voasoratra ao amin'ny Testamenta Taloha hoe : "Hanao fivoriana masina iranareo amin'ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin'ny andro fahafito. Tsy hiasa amin'ireo andro ireo " Eks.12,16. Raha jerana araka izay voasoratra dia fanontaniana tokony tsy hipetraka ny hoe "andro sabotsy sa alahady no mety hanaovana ny vavaka, satria samy andro fanaovana fivoriana masina. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Manatanteraka ny fankamasinana ny andro alahady ny Kristiana na ny andro voalohany amin'ny herinandro. Tsy manova na mandrava na mandà ny didi fahatelo ao amin'ny Testamenta Taloha izany fa mandavorary azy satria ampianarin'ny Fiangonana mazava fa I Kristy no fahatanterahan'ny lalàna sy ny mpaminany. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Ny maha samy hafa ny "didy sy ny safidy" : Ny didy dia tsy hananana safidy fa tsy maintsy atao. Ny safidy dia manambara zavatra azo atao na tsia fa miankina tanteraka amin'ny sitrapo. Ny maha samy hafa ny didy sy ny safidy dia ny vokany. Ny Kristiana vita batemy dia mampandefitra ny safidiny sy ny sitrapony fa mikatsaka sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Ny fankamasinana ny andro alahady dia tsy miankina amin'ny safidy ho an'ny Kristiana vita Batemy satria didin'Andriamanitra. Ny atao hoe zanaka hendry dia ny fahaizany manatanteraka ny didy sy ny sitrapon'ny ray aman-dreniny. Ilaina ny mifandresy lahatra sy mifanentana mba hanaraka an'Andriamanitra sy ny sitra-pony. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Misy antony maromaro tsy mamparisika ny Kristiana tsy handeha hivavaka rehefa alahady : Mety ho tsy mazava ny fampianarana na tsy maharesy lahatra ; mety ho antony avy amin'ny mpitondra (fitondran-tena) ; mety ho hita taratra ny fitiavam-bola tafahoatra eo amin'ny mpitondra sasany ao amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Didin'Andriamanitra fahatelo : " Izaho no Tompo Andriamanitrao : mankamasinì ny andro alahady, aza miasa fa manompoa an'Andriamanitra". Didin'ny Eglizy faharoa : "Mamonje lamesa na ny fanompoam-pivavahana amin'ny andro alahady sy amin'ny andro fety natokan'ny Eglizy hohamasinina, raha tsy misy antony lehibe". Miantso ny vita batemy Andriamanitra rehefa alahady mba hiaka-mivavaka. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

 Maro tokoa ny mandeha mivavaka rehefa alahady, fa saingy mijanona ho "mpivavaka tsotra", izany hoe : mankany am-piangonana izy ireny mba hitalaho fanampiana fotsiny amin'Andriamanitra fa manadino ny fisian'ny adidy miandry azy ao mba hamelona sy hampandroso ny Eglizy. Maro ireo tsy mahazo ny dikan'ny atao hoe "adidy" tanterahana any am-piangonana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny tsirairay vita batemy dia manana adidy ao amin'ny fiangonana, satria koa nahazo fanomezam-pahasoavana maro. Maro samihafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Tompo iray ihany. Miseho amin'ny alalan'ny fidirana Fikambanana Masina na Vaomieran'asa samihafa ny anjara tandrify. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Mahasolo ny adidy atao any am-piangonana ve ny fanomezana atao?. Mety havaly azy ireto satria ny Fiangonana Fianakaviana : tsy association caritatif mpandray fanomezana fa miara-miaina, miara-mankalaza. Fiangonana Fiombonana : Misy Fiaraha-mientana ilaina ny isam-batan'olona. Fiangonana Iraka : Manana iraka atao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny toeran'ny Fianakaviana any am-piangonana : fanomezan'Andriamanitra satrai ny tsirairay dia samy nahazo fanomezana ary dia tonga fanomezana ; Fiangonana fototra izany hoe Eglizy eo anivon'ny ankohonana. Ny fianakaviana dia loharano impoiran'ny fitohizan'ny taranaka ary feon'ny fiangonana.  Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny toe-panahy tsara hananana amin'ny fanantanterahana ny adidy : Toe-panahin-janaka, zanak'Andriamanitra isika noho izany dia mila fahatokisana sy manaiky hianteherana. Toe-panahin-tsakaiza izany hoe mahatoky, eo koa ny toe-tsana afaka mikarakara mba hisy fahavelomana sy fahalalana ary fahafahana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...