Taorian'ny fitsanganany ho velona vao nanonona ny teny hoe "fiadanana" i Jesoa Kristy, fa talohan'izay dia tolona ho amin'ny tena fitiavana sy fahamarinana no nataony. Ny fiadanana tian'i Kritsy ampanjakaina eto an-tany dia araka ny fiheveran'Andriamanitra fa tsy ny hevitry ny olombelona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Rehefa tafiditra tao am-po sy ny fiainan'ny mpianatra ny "fitiavana sy ny fahamarinana", vao mahazo miteny fiadanana sy miaina izany. Ny fiadanana dia fampanjakana ny fitiavana marina sy ny fahamarinana eto an-tany na inona toerana misy anao : na mpitondra Fanjakàna ianao, na mpitondra Fiangonana, na ray na reny, na zanaka na mpianatra na mpiasa sns. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Ny fiadanana tian'i Jesoa omena dia ny fo milamina sy mihavana amin'Andriamanitra. Fon'olombelona manaiky an'Andriamanitra ho Tompo sy mitantana ny zavatra rehetra. Tsy isika olombelona mihitsy no tompon'ny fiainantsika sy mandidy ny fiainana ary mibaiko izany fiainana izany. Rehefa mikomy ny natiora dia sahirana ny olombelona ary sasatra ny miaro tena sisa. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Ny fiadanana tian'i Jesoa ampanjakaina eto an-tany dia ny fampahalalana izany atao hoe lanitra izany. Ny lanitra tiana ho lazaina dia ny fisian'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny olombelona ; Andriamanitra manjaka eo amin'ny fianana ; olombelona matahotra an'Andriamanitra amin'izay ataony rehetra ka miezaka manaja ny hafa ary ny natiora, manampy antsika ho sambatra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Ny fiadanana tian'i Kristy ambara dia ny finoana Azy ho Tompo sy Andriamanitra ary ny fiekena fa tafatsangan-ko velona tokoa Izy, izany hoe nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana. Tsy tokony hitebiteby ao am-po ny mpianatr'i Kristy, fa miezaka hianatra sy hahalala ny Soratra Masina ary miaina izany mba tsy ho voafitaka sy voafandriky ny fiainan'izao tontolo izao. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Ny fiadanana tian'i Jesoa ampitaina amintsika dia : ny fampanjakàna ny tena fitiavana sy fahamarinana ; ny fo milamina sy mihavana amin'Andriamanitra ; ny finoana azy ho Tompo sy Andriamanitra ary ny fiekena fa tafatsangan-ko velona Izy. Ny fiadanana dia fahatokisana ny fitantan'Andriamanitra sy ny fahasoavany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Filàna fototra ho an'ny tsirairay ny fiaraha-monina. Ny antso ho an'ny olona rehetra dia ny haneho ny endrik'Andriamanitra Ray sy maneho an'i Jesoa Kristy zanany tokana. Sady antso manokana ho an'ny tsirairay no mahakasika ny olon-drehetra ka zary mahakasika ny fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina dia voafaritry ny tanjona kendreny sady manaiky fitsipika manokana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Tena ilaina ny fiaraha-monina mba ahatratraran'ny olona ny tanjony. Noho izany mila lanjalanjaina ny tena ilaina sy ny zava-dehibe. Tsy maintsy raisina ho zava-panahy ny fiainana anaty fiaraha-monina satria fifanakalozana fahalalana ao anatin'ny fahamarinana. Hoy ny Pape : Aoka tsy hatao fitaovana ny olona mba  hanatrarana tanjona. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Hoy ny Papa Léon XIII : ny fiaraha-monina rehetra dia mila mpitondra hifehy azy ; ilaina io mba hampiombona. Anjara andraikitry ny mpitondra no mikatsaka ny soa iombonana, mizara izay sahazan'ny tsirairay avy, ary manampy ny tsirairay hitombo sy hivelatra. Ny toetran'Andriamanitra, ilay tsy manavaka fa mitsinjo izay ilain'ny rehetra no tsy maintsy ho toetran'ny mpitondra. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Satria ao anaty fiaraha-monina ny olona, ka ny soa ho an'ny tsirairay dia mifampiankina amin'ny soa iombonana. Antsoina hoe "soa iombonana" ny fepetra rehetra eo amin'ny fiaraha-monina ka manampy ny isam-batan'olona sy ny fikambanana manontolo hanatratra ny tanjony. Ho an'ny soa iombonana, ny manampahefana dia antsoina hanaja ny zo fototry ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Ny firotsahana an-tsitra-po sy fahavitrihana eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina no antsointsika etoana hoe- : fandrasiana andraikitra. Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy manao izay ho afany mandray anjara eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina. Adidy : ny firotsahana hiandany amin'ny fandriam-pahalemana, ny fandaminana ny fahefam-panjakana, ny fitandrovana ny tontolo iainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Tsy misy fiaraha-monina ara-drariny mety ho tanteraka, raha tsy voahaja ny hasina maha-olona. Ny lamina sy ny fandrosoana eo amin'ny fiaraha-monina dia tokony hitondra soa ho an'ny olona mandrankariva, satria ny filaminan'ny zavatra dia fehezin'ny filaminan'ny olona. Tsy maintsy tsinjovina ny fiainan'ny olona sy izay ilainy hivelomany amim-pahamendrehana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...