♦ Nisy nanolo vy milanja 20 kg sy 550 g ireo volamena 36 kg very tao amin'ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Nankatoavin'ny Solombavam-bahoaka androany, ny volavolan-dalana momba ny fifanarahana hindramana vola hanaovana ny tetikasa tetezana mihantonba na ny "Fly over" eny Anosizato... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana faobe nanomboka androany, mandram-pivalin'ny fitakiany, ireo mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny...

♦ Notanterahana ny sabotsy 18 jona 2022, ny fanatontosana ny horonan-tsary fanentanana momba ny JMJ Mada X, sy ny famoriana ny anjara biriky ho fizakana ny JMJ Mada X, ao Antsirabe... ♦ Nomarihana tao Mandritsara ny faha-70 taonan'ny Fikambanan-dry Masera Fo Masin'i Jesoa sy Fo Madion'i Maria... ♦ Hotanterahana ny 1 ka hatramin'ny 3 jolay 2022 ny Andron'ny Ankizy eto Antananarivo...

Talata 5 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38

♦ Samy afaka nody avokoa na i Leva, Solombavam-bahoaka teo aloha, na ilay lehilahy iray notorian'ny vadin'ity Solombavam-bahoaka teo aloha ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy ireo... ♦ Vahaolana maharitra ahafahana miatrika ny olan'ny famatsiana solika, ny fiaraha-miasa amin'ny firenena arabo, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka raharam-pirenena... ♦ Ny 780 tapitrisa amin'ireo miaina amin'ny vola latsaky ny 2 dolara isan'andro, dia avy amin'ny tontolon'ny mpiasa avokoa. Ao anatin'izany ny ankamaroan'ny mpiasa Malagasy...

Alatsinainy 4 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay —Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26

♦ Nanjavona tsy hita ny volamena sy vato sarobidy 36 kilao, tao amin'ny vata fitehirizana eo anivon'ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany. Olona am-polony amin'izao no efa nosamborina sy nampidirina am-ponja vonjimaika... ♦ Natolotra ny Fampanoavana tao Morondava indray androany tolakandro, Andriamatoa Ludovic Raveloson na i Leva. Notononin'ny fivoriam-pokonolona ny anarany amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana... ♦ Nafana ny adihevitra tamin'ny asam-baomiera, teny Tsimbazaza androany, nandinihana ilay lalana fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2022...

Zoma 2 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 14-17

Zoma 1 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 9-13

Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8

Alarobia 29 jona 2022 — Masindahy Piera sy Paoly — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

Talata 28 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 8, 23-27

Alatsinainy 27 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...