Tamin’izany andro izany, dia nifanditra ny Jody nanao hoe: "Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?" Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana itý mofo itý kosa dia ho velona mandrakizay." Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.

Mamolavola toromarika ara-politika ny fiangonana. Voizin'ny fiangonana ny hasin'ny maha-olona, ny soa iombonana. Ny fifanampiana tsy misalovana andraikitra, zava-dehibe ny soa iombonana izany hoe ho an'ny daholobe ny harena. Mila ezaka miaraka ny soa iombonana ary eo no hisehoan'ny firaisan-kina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ilaina fantarina tsara ny atao hoe soa iombonana. Tsy misy afa-mialangalana, fa tsy maintsy samy manao araka izay vitany manoloana ny soa iombonana. Tsy misy fampandrosoana rehefa tsy  hihevitra ny soa iombonana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

An'ny daholo be ny harena, natokon'Andriamanitra ho an'ny rehetra. Amin'ny maha avy amin'Andriamanitra ny harena dia tsy tompony ianao fa mpitantana izay hananao. Ilaina ny fisian'ny fitsipi-pifehezana mba hahafahana miaina ny zo ary manangana tontolo ara-drariny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Endrika isehoan'ny fahafahana ny fananana manokana anefa fitaovana ihany io. Tsy tokony ianao irery no hahazo tombotsoa amin'ny fanananao fa ny hafa ihany koa dia tokony hisitraka amin'izany. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny mahantra dia ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina, ireo tsy afa-mandroso araka ny tokony izy. Safidy io, hampiharana ny fitiava-namana araky ny finoana kristiana sy ny lovam-panahin'ny Eglizy, ary voakasik'io ny tsirairay avy. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fanampiana dia tsy midika hoe : "misalovan andraikitra". Eto dia apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Ny vondrona rehetra eo amin'ny antanantohatra ambony dia tsy maintsy mivonona hitondra fanampiana, ho fanohanana, na ho fampandrosoana an'ireo vondrona ambaniny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Amin'izay misy eo am-pelatananao, na betsaka na kely ny ananana dia mila mampandray anjara ny mahantra hatrany, ary atao ara-drariny. Tsy fitiava-namana fotsiny no ilaina fa ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny ihany koa. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Tokony ho sahy mamaky batsilana ny tsy mety sy ny trangana kolikoly isika. Manana adidy lehibe amin'izany asa fampielezam-baovao izany ireo matihanina amin'io asa io, ary mila manaja ny atao hoe "etika". Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Tafahitsoka anaty fahantrana lalina ny malagasy. Mila mandray andraikitra ny tsirairay indrindra ireo mpitondra isan'ambaratongany mba tsy hisy fipoahana ara-tsosialy. Mba hialana amin'ny fahantrana dia mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hiankin-doha amin'ny avy any ivelany na koa haneho hakamoana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fiangonana dia manana anjara amin'ny fampatsiahivana sy ny tari-dalana ary manome ohatra amin'ny fanabeazana. Ny fiangonana dia manana adidy amin'ny fanabeazana sy fanofanana mba hampivoarana ny maha-olona, ary miara misalahy amin'ny fanjakana amin'izany adidy masina izany.  Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fiangonana dia manana tanjona ho fampivoarana amin'ny alalan'ny fanabeazana sy fanofanana. Ny Sekoly katôlika dia misandrahaka amin'ny faritra maro eto amin'ny firenena. Ny fiofanana atolotry ny fiangonana dia mahasahana seham-pihariana maro toy ny asa-tanana, ny fambolena ary ny fiompiana.  Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...