♦ Manaja ny tsy fiandaniana i Madagasikara manoloana ny ady eo amin'i Russie sy Ukraine, hoy ny Praiministra, raha naneho hevitra izy, tao aorian'ny ady sisika nataon'ny diplaomaty samihafa misarika antsika hanohana izay tohanany... ♦ Tokony hatao laharam-pahamehana ny fiaraha-midinika hikatsahana fitoniana eto amin'ny firenena mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny CFM... ♦ Nozaraina nanaomboka androany, hatramin'ny zoma ho avy izao ny karatra ampiasain'ny mpianatra eny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona, ahafahana mandray ny vatsim-pianarana...

Sabotsy 5 marsa 2022 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32

Anisan'ny sehatra lehibe ny fifandraisan'ny mpiara-belona, zava-dehibe ary fomba hanomezana toerana an'i Jesoa Kristy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona. Zava-dehibe ny fitrandrahana vaovao marina. Asaina ny rehetra mba hijery ny soa iombonana, indrindra rehefa mampita hafatra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Fampivoarana ny toe-karena. Ho fampivelarana ny maha-olona no tanjon'ny fampivoarana ny toe-karena. Adidin'ny mpitondra fanjakana ny mandrindra ny toe-karena, adidin'ny vahoaka entina ny mijoro ho tompon'andraikitra amin'ny fanatontosana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Zoma 4 marsa 2022 — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15

♦ Miantso ny fitondrana malagasy tsy hiandany amin'ny atsy na ny eroa ny Antoko Politika Madio, manoloana ny antso ataon'ireo masoivoho vahiny amin'ny raharaha any Ukraine, tokony hitady vahaolana amin'ny toe-karem-pirenena sahady hoy ny APM... ♦ Raikitra nanomboka ny antoandro teo ny fitokonan'ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filamaninana hifehy ny hetsika... ♦ Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olona roa voarohirohy tamin'ilay fanapahan-doha zazavavikely roa tany Ambatondrazaka, efa nahiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany izy ireo...

Fitandroana ny soa iombonana. Zavatra tsara ho an'olona no antsoina hoe "soa" eto, zavatra mampivelatra eo amin'ny fiainana. Zavatra mahavoafaoka ny maha-izy azy, manontolo, na ara-batana, na ara-panahy eny fa ny ara-tsaina ihany koa. Ny hetra haloa dia hofitsinjovana ny soa iombonana : hikarakarana ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Mila fanabeazana ara-pitondrantena ireo mpanao politika kristiana : fanabeazana mifototra amin'ny maha asa fanompoana ny vahoaka ny asa politika. fanabeazana ho fiantsorohana sy ho fanatanterahana ireo adidy sy andraikitra nankinin'ny  vahoaka aminy ; fanabeazana mahakasika ny fampianarana sosialin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

♦ Mamporisika ankolaka an'i Madagasikara mba hanameloka ny fanafihana ataon'i Rosia an'i Ukraine ireo masoivoho vahiny tandrefana miasa eto amintsika, nihaona tamin'ny ministry ny raharaham-bahiny malagasy ihany koa anefa ny masoivoho Rosiana... ♦ Nitombo 1,91% ny isan'ireo olom-pirenena tafiditra ao amin'ny lisitry ny mpifidy 2022... ♦ Hikarakara filaharam-be mitety tanàna ny vondrona Miaro ny Zon'ny Mpanjifa amin'ny 15 marsa izao, ho fanairana ny fanjakana amin'ny fidangan'ny vidim-piainana...

♦ Andro faharoa amin'ny famangiana sy fankaherezan'ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara Mgr Fabien Raharilamboniaina, ny Diosezin'i Farafangana androany... ♦ Nifarana vonjy maika androany ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Nahitana fitomboany 1,91% raha oharina amin'ny lisitra teo aloha... ♦ Hikarakara filaharam-be mitety tanana, hipaka eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey indray ny VOMZM. Hetsika fanairana ny mpitondra manoloana ny fidangan'ny vidin'entana ilaina andavanandro...

♦ Manao antso avo amin'ireo Diôsezy rehetra mba handefa avy hatrany ny fanampiana ho an'ireo tra-boina any atsimo atsinanan'ny nosy, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Manadino tanteraka ny maha olona izay mahatonga ny ady, hoy ny Papa François... ♦ Tafajoro amin'ny fomba ôfisialy ny Fikambanana masina "Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa", ao amin'ny Diôsezin'i Morombe...

Ny toetra mampiavaka ny mpanao politika kristiana : maneho ny maha-mpaminany azy, misokatra amin'ny fahamarinana, mafafoy tena, mahay mifamela sy mifampizara araka ny fampianaran'i Kristy. Manana adidy hanameloka ireo fomba mangeja ny madinika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...