Alatsinainy 28 febroary 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27

♦ Hanohy ny diany hamakivaky ny Faritra Anosy ny rivodoza Emnati, ary tombanana hivoaka an-dranomasina any amin'ny Faritra Androy amin'ny fiafaran'ny tolak'andro... ♦ Fahapotehana mihoampmpana indray no nisy tany amin'ny Faritra atsimo-atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany noho ny rivodoza Emnati, raha mbola tsy niarina akory ny fahavoazana tamin'ny rivodoza Batsirai ♦ Ambony be ny fandraisan'anjaran'ny banky iraisam-pirenena amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ankehitriny, raha ny zava-misy hatrizay hoy ny praiministra Ntsay Christian...

Alahady 27 febroary 2022 — Alahady fahavalo mandavan-taona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-45

Tsy fankahalana ny fanambadiana akory no antony tsy hanambadian'ireo relijiozy fa nisafidy bebe kokoa ny hafa rehefa nisafidy ny hanana fo tsy mizarazara ho an'Andriamanitra sy ho fanompoana ny hafa. Fanomezana manokana avy amin'Andriamanitra ny fahadiovana sy ny fiainana azy io, izay azo miaraka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Sabotsy 26 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 13-16

Antsoin'Andriamanitra hadio ny relijiozy, noho ny fanarahan-dia an'i Kristy. Fanahafana an'i Kristy nisafidy ny hadio no antony iainan'ny relijiozy ny voadin'ny fahadiovana. Hoy ny voalaza ao amin'ny Matio 19, 12 : ary misy olona tsy manam-bady an-tsitrapo noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12

♦ Niditra an-tanety ny rivodoza Emnati. Tany amin'ny distrikan'i Vondrozo no nisy ny ivony tamin'ny 6ora maraina teo... ♦ Manentana ny rehetra hiombom-po sy hiray saina, ny filoha lefitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Fulgence Rabemahafaly mba tsy hisian'ny fanararaotana amin'izao rivodoza izao... ♦ Trano 97 no indray nodoran'ny dahalo tany amin'ny tanàna Mahasoa, kaominina Tsivory, Amboasary-atsimo, olona 350 no tsy manan-kialofana...

♦ Hiditra an-tanety anio alina, eo amin'ny fisasahan'ny Distrikan'i Manjary sy i Manakara i Emnati, amin'ny tanjaka rivodoza mahery... ♦ Manentana ny rehetra haneho ny fiombonana sy ny firaisan-tsaina mba tsy hisian'ny fanararaotana sy ny halatra amin'izao fandalovan'ny rivodoza Emanti izao, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, Filoha Lefitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara...

Toy izao no nanehoan'i Kristy ny fahantrany izay tokony hotahafin'ny relijiozy : Nanao tsinotsinona ny fahamboniana nananany teo aloha Izy mba hampanankarena antsika olombelona (2 Kor. 8, 9). Misy toetra roa anehoan'ny relijiozy ny fahatrana : ny firotsahana sy ny fahatokisana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

♦ Somary nihena ny rivotra entin'ilay rivodoza Emnati amin'izao ora maromaro tsy idirany eto Madagasikara izao, any amin'ny 72km atsinanan'i Mahanoro no nisy ny foibeny tamin'ny 9ora maraina teo... ♦ Namoaka fanambarana ny sendikan'ny mpampianatra fanabeazana ara-panatanjahantena an-tsekoly, nanoloana ny zava-misy niseho omaly. Manameloka ny fihetsik'ilay raim-pianakaviana député ny SPEPS...   ♦ Manomboka mitaky fiara tsara kalitao sy hampitsaharana ireo efa tranainy amin'ny fitanteram-bahoaka ao an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo, amin'ny faran'ny Avrily no farany hanaovana visite de conformité...

Manimba ny fahasalamana ary mety hafaty mihitsy ny fanaovana dokotera-tena. Ny tanjona dia ny fahasalaman'ny vatana sy ny fanahy. Ny fahalalana fototra dia singa hitazaina ny fahasalamana. Ny voa dia taova saropady ary tsy tokony hanaovana dokotera-tena, izay manadio ny ra. Mila misotro rano ara-pahasalamana isika mba hanampy ny voa amin'ny asany. Ny fanaovana dokotera-tena dia mety hiteraka tsy fahalavorariana ara-pahasalamana maro. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...