♦ Mananontanina ny morontsiraka atsinanan'ny nosy indray ilay rivodoza Emnati atsy amin'ny ranomasimbe Indiana. Efa ao anatin'ny loza fanairana "loko maintso" ny Faritra Analanjirofo,Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo-atsinanana... ♦ Tafiakatra 14 isa ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Dumako, 10 000 no traboina... ♦ Takian'ny SMM ny hanokafana ny fanadihadiana momba ny raharaha Imibiki Hery Laza, ministra teo aloha...
Isaky ny 14 febroary no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny androbe. Ny androbe dia aretina ateraky ny fikorontanan'ny fiasan'ny atidoha. Ny antony mampikorontana ny asan'ny atidoha dia ny fisan'ny fihenan'ny herinaratra manampy amin'ny asa fibaikoana hataon'ny atidoha. Maro ny antony mahatonga ny androbe : azo hatrany am-bohoka, azo avy amin'ny reny nandritry ny fitondrana vohoka, fahasimban'ny faritra ao amin'ny atidoha, fivontasana na omamiadana amin'ny atidoha...
Mampahory ny vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitondra, araka ny voalaza ao amin'ny Soratra Masina. Ory sy fadiranovana ny vahoaka noho ny fitiavan-tenan'ny mpitondra. Tokony hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra anefa ny mpitondra vahoaka. Manoloana ny fanompoana ny vola sy ny fangatsiakam-pon'izao tontolo izao dia tokony manana toe-po mahantra ny Eglizy, izany hoe tsy manao ampihi-mamba, mijery manokana ny mahantra. Fandalinam-pinoana miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Évêque auxiliare d'Antananarivo
Ny tsy fitovian’ny finoana arahina eo amin’ny mpivady dia tsy mampisy vato misakana tsy azo ihoarana ho an’ny fanambadiana, raha vitan’izy ireo ny manakambana an’izay noraisin’ny tsirairay tamin’izy ireo tao amin’ny Fiangonany sy mampianatra ny andaniny sy ny ankilany ny fomba izay niainan’ny tsirairay ny fifikirana amin’i Kristy. Fandalinana momba ny Fanambadiana kristianina, miaraka amin'i P Randriamanamahenina Robert Marie.
Kilalaon-teny hanafenana heloka mahatsiravina ny hoe : Fampitsaharana vohoka ara-pahasalamana na ny Interruption thérapeutique de grossesse (ITG). Loza ho an'ny soatoavina moraly ny mahaolona, ny maha-malagasy ary ny maha-kristianina izy io. Tsikera momba ilay volavolan-dalana fampitsaharana vohoka, entin'i P Nicholson Avotriniaina- Doctorant en théologie morale- Université Pontificale Urbaniana.
♦ Ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toamasina sy i Vohipeno, amin'ny talata 22 febroary izao ny rivodoza mahery vaika Emnati... ♦ Hivoaka anio kosa ny fehin-kevitra tinapaky ny Vondrona Eoraopeanina sy ny Vondrona Afrikanina, mikasika ny vinam-piaraha-miasan'ny vondrona roa tonta, Taona 2030... ♦ Aleo hisokatra ny fanadihadiana momba ny raharaha hanenjehana ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, ka tokony ho rafi-panjakana mahefa no hanao izany, raha ny fanehoan-kevitry ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...
♦ Hofaranana amin'ny 31 jolay 2022 ny Sinaody nasionaly eto Madagasikara, fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Ilaina ny fahaiza-mihaino sy ny firaisan-tsaina, manoloana ny fiovan'ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena, vokatry ny Covid-19... ♦ Natokan'ny Papa François ho taona masina hanamarihana ny fahateraham-baovao ny taona 2025...
Alahady 20 febroary 2022 — Alahady fahafito mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 27-38
Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe: "Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany."
Tamin’izany andro izany, nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: "Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo, fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any." Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
Tamin’izany andro izany: Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony. Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy?" Ary izao no navaliny azy ireo: "Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?" Dia hoy Izy: "Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy." Fa hoy kosa i Jesoa: "Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona." Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira. Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo."
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco