Alahady 21 novambra 2021 — I Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 33b-37
♦ Lohahevitra telo no nifantohan'ny dinika pôlitika andiany faha-9 teo amin'ny Vondrona Eorôpeana sy i Madagasikara, izay notanterahana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany... ♦ Nampahafantarina sy natolotra androany ho an'ny fitondram-panjakana malagasy ny antontan-kevitra tsara ho fantatra momba ny fifidra-monina misy eto amintsika... ♦ Misy mpiasan'ny fahasalamana maka vola amin'ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19 any amin'ireo toerana lavi-dalana, raha ny tatitry ny Transparency International Initiative Madagascar...
♦ Tontosa ny 12 hatramin'ny 14 novambra 2021 ny Antenimieran'ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nomarihana tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 11 sy ny 14 novambra 2021 ny tsingerin-taona nahatongavan'ny Masera Saint Joseph de Cluny sy ny Masera Bénédictines de Sainte Batilde, teto Madagasikara... ♦ Nikarakara fikaonan-doha iraisam-pirenena androany, ny Vaomieran'ny Covid-19 ao Vatican, izay sahanin'ny Dikastera momba ny fampivoarana manontolo ny maha olona...
♦ Nanamafy ny fisian'ny fandosiran'ireo voafonja tao amin'ny fonjan'i Maindrivazo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Atao mirazotra manomboka izao, ny tetik'asa hampandrosoana ny any atsimon'ny nosy... ♦ Fako 30 taonina isan'andro kosa no ariana eto Antananarivo sy ny manodidina...
♦ Nitokona androany, ireo mpiasa ao amin'ny valanjava-boaharin'i Tsimbazaza, manoloana ny feo miely fa homena hotantanin'ny tsy miankina io toerana io. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny fanamabaran'ny Minisitera mpiahy... ♦ Hanaovana antso avo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hain-tany sy ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Very 10 tapitrisa Ariary ny kitapom-bolan'ny kaominina Ampanotokana Ambohidratrimo, noho ny fikatonan'ny tsenan'omby tato anatin'ny telo herinandro...
Voadona indray ny seha-piharian'ny tantsaha mpiompy omby indrindra ny omby vavy be ronono ao anatin'ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny faraparan'ny volana oktobra lasa teo nitohy tamin'ity volana novambra ity. Nihanaka mantsy ny valan'aretina mahazo ny omby, ka tsy afa-bela na ny omby miasa eny antsaha na ny omby vavy be ronono.
♦ Tsy marina ny filazàna fa nafindra amin'ny vahiny na amin'ny fondation Axian ny fitantanana ny valan-java-boahary eny Tsimbazaza hoy ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Hatao lavanty ary ampanarahana ny fenitra ireo kaontenera misy sakafo tsy azo hohanina intsony sy praovandy, miisa 103 ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, isan'ny tapaka tamin'ny filankevitry ny ministra omaly izany... ♦ Manentana ny zatovo sy ny tanora hiaro ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny baolina kitra ny Orange Madagascar. Naompana amin'izay tanjona izay indray ny fifaninanana Orange kitra 2021, lalaovin'ny olona 7 ho an'ny zatovo 12 sy 13 taona...
Loza mananontanona efatra lehibe ihany no tsongaina androany ; raha tsy mifankahery sy mifanohana isika rehetra dia mitondra mankany amin'ny aretina sy mety ho fahafatesana daholo : ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ny valanaretina covid-19, ny tsy fahampian-drano saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ny fahaefatra dia ny fahantrana lalina.
♦ Voatohitohina ny fahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany any amin'ny faritra Menabe. Voafetra ny fahafahan'izy ireo mahazo vaovao momba ny Covid-19... ♦ Miatrika zaikabe eto an-drenivohitra mandritra ny roa andro hifarana anio ny vondron'ny mpivaro-panafody matihanina eto Madagasikara. Dinihana mandritra izany ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Nanomboka omaly ny fotoam-pihotazana letchi any amin'ny faritra atsinanan'ny nosy. Tombanana ho 16 000 taonina ny vokatra haondran'i Madagasikara amin'ity taona ity...
♦ Misedra olana amin'ny fandrakofana ny vaovao momba ny Covid-19, ireo mpanao gazety any amin'ny Faritra Menabe... ♦ Efa hita ao amin'ny tranonkalan'ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola manomboka izao, ny volavolan-dalana lasitra mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2022... ♦ Toherin'ny vondron'ny mpampianatra mpikaroka eo anivon'ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny fikasana hanome ny fitantanana ity valanjavaboahary ity ho an'ny mpandraharaha vahihy, mandritra ny 30 taona...
♦ Marobe ny basy tsy ara-dalàna mifamoivoy any anatin'ny fiaraha-monina any eto Madagasikara. Omena iray volana, nanomboka omaly, ireo izay manana izany, mba hanatitra azy ireny eny amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana, tsy misy arakaraka... ♦ Litchis hatrany amin'ny 16 000 taonina no ho aondran'i Madagasikara any ivelany amin'ity taona ity. Misokatra ôfisialy anio ny fotoam-piotazana ho an'ny faritra atsinanana... ♦ Nomena vahana ao amin'ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2022 ny lafiny sôsialy, ary tsapa fa saika niakatra avokoa ny teti-bola natokana ho an'ny ministera tsirairay...
Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco