♦ Misy ny simenitra eto Madagasikara fa ny mpanararaotra no betsaka, ka tsy maintsy nanafatra simenitra ny fitondrana, hanamaivanana ny fahasahiranan'ny vahoaka, izay efa ao Toamasina... ♦ Hiakatra fampanoavana ny raharahan'ilay polisy namono lehilahy nitrotro zazakely, teny Miandrarivo Ambanidia, izay niteraka resabe tao amin'ny FB omaly... ♦ Maherin'ny 1 500 000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mamoy ny ainy isan-taona vokatry ny fahalotoan'ny tontolo iainana, raha ny tatitry ny OMS...

♦ Polisy nanao herisetra teny Ambanidia, ao Antananarivo Renivohitra. Nanameloka iny tranga iny ary nitaky ny hisian'ny fanadihadiana ny CNIDH... ♦ Ao anatin'ny fotoam-pahavaratra ny eto afovoan-tany. Handray fepetra momba ireo olona mipetra amin'ny faritra nametrahaha saina mena eny Manjakamiadana sy ny manodidina ny BNGRC...

♦ Ahiana indray ny hiakaran'ny tarehimarika momba ny valan'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Efa hatrany amin'ny 20 ireo tranga vaovao nanomboka ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nankasitrahan'ny holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara ny nanemorana ny fandaniana ilay tolo-dalàna momba ny toeram-pivarotana fanafody, izay ahian'izy ireo hanome vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna... ♦ Manaitra ny rehetra hisoroka dieny izao ireo loza mety hitranga mandritra ny fotoam-pahavaratra ny Sampana Mpamonjy Voina. Anisan'ireny ny tany mihotsaka sy hazo atahorana mianjera mandritra vanim-potoanan'ny  orana izao... 

Misy olana amin'ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo avy amin'ny vanim-potoana samihafa. Ny 20 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy ; Madagasikara dia isan'ireo nanao sonia sy nankatoa io zo io. Ny fampisitrahana io zon'ny ankizy io dia miainga amin'ny ankohonana, betsaka anefa ireo izay minia tsy halala izany zo izany. Diso ao amin'ny fampitahana ny zava-misy ankehitriny sy ny taloha ny ray aman-dreny, ary ankilany anefa dia tsy voatery hitovy ny zava-misy amin'ireo vanim-potoana roa ireo. Tokony hifandray sy hirindra ny fifampiresahana, ny fifampihainoana, fifankahazoana, fandanjalanjàna ny tranga rehetra...

♦ Niakatra fitsaràna ady heloka teny Anosy omaly ny raharaha hanenjehana an'i Rivo Nambinina, ilay mpiasan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka nahasahy namoaka vaovao momba ny tsy fetezan'ny fanomezana tsenambaro-panjakàna... ♦ Nampitsahatra ny asa fanaraha-maso ara-teknika ireo tetik'asan'ny filoham-pirenena ireo mpiasa eo anivon'ny LNTPB, tsy hijanona ny hetsika raha tsy miala ireo tale vitsivitsy takiana esorina... ♦ Mbola hitohy ny hafanàna midanika eto amintsika, raha ny vina voaray avy amin'ny Météo. Mety ho tafakatra 41°C ny maripàna ambony indrindra... 

Nankahery ny vahoaka mba hahay hifampihaino sy hifanampy ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny hafatra vokatry ny fivoriam-be ara-potoana nataon'izy ireo ny 03 ka hatramin'ny 12 novambra 2021. Indro ny lahatsoratra feno momba izany, entin'i Mgr Gabriel Randrianantenaina, Evekan'i Tsiroanomandidy, Sekretera jeneralin'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara

♦ Hivoaka ny 29 novambra izao ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha nitorian'ny fanjakana an'i Ravo Nambinina Ramasomanana... ♦ Niroso tamin'ny fampitsaharana ny fanaraha-maso ny asa ara-teknika ireo tetik'asan'ny Filohan'ny Repoblika androany, ireo mpiasa eo anivon'ny LNTPB... ♦ Nitondra valin-kafatra ho an'ireo mpanao pôlitika nivory teny Anosy ny faran'ny herinandro teo, ny Governoran'Analamanga...

♦ Hanampy antsika amin'ny fampandrosoana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny fiainana amim-pitokiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fitanana ny finoana, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina... ♦ Nahatsiaro ireo rehetra nodimandry tao amin'ny fikambanana, ny fikambanan-drelijiozy Karma omaly... ♦ Nampahatsiahivin'ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, fa ny kristianina tsirairay dia voaantso hisehatra ho amin'ny mandrakizay...

♦ Atahorana indray ny firongatry ny Covid-19 eto amintsika na ny "3ème vague". Nisy tranga vaovao miisa 3 voamarina fa Coronavirus koa tany Antsirabe, miampy tranga mampiahiahy miisa 8, ankoatra ireo hita tany Morondava... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny naotin'ny taranja fanatanjahan-tena ho "Coefficient 2" any amin'ny fanadinam-panjakàna ireo mpampianatra fanabeazana ara-batana any an-tsekoly... ♦ Voahosotra ho tompondaka eran-tany eo amin'ny fifaninanana tifitrany ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny Tsipy Kanetibe, sokajy zandriny zazalahy. Mbola tompondaka lefitra koa isika teo amin'ny olon-telo miaraka...

♦ Miantso fandraisan'andraikitra haingana ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara mba tsy hiteraka fipoahana ara-tsosialy ireo olana etsy sy eroa, hafatra navoaka taorian'ny Fivoriana ara-potoana... ♦ Nofaranana omaly ny fanamarihana ny faha-60 taonan'ny Diôsezy Ambatondrazaka... ♦ Mitaky ny hanovàna ny kara-pifidianana ho "biométrique" ho an'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2023 ny Vondrona Panorama, fehin-kevitra tapaka tamin'ny famelabelaran-kevitra ny sabotsy teo...

♦ Maimaimpoana ny fijerena ny lalao baolina kitra eny amin'ny Kianja Barea ho an'ny rahampitso Alahady. Ferana ho 20 000 isa ihany anefa ireo afaka hijery mivantana izany... ♦ Mihemotra i Madagasikara, ahoana ny fomba hamoahana azy ao anatin'izany ? Izay no lohahevitra amin'ilay famelabelarana arahana ady hevitra efa nisokatra ny maraina teo eny Anosy... ♦ Mihena hatrany amin'ny 90% ny ronono omen'ny omby iray tratran'ny aretina any Vakinankaratra...

♦ Tanterahana anio ny famelabelarana arahana ady hevitra karakarain'ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka sy ny vondrona Panorama... ♦ Tsy marina ny fisian'ny fikonokononana amin'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, hoy ny solombavambahoaka IRD... ♦ Miparitaka ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ny valanaretina mahazo ny omby. Tratran'ny aretina avokoa na ny omby vavy be ronono na ny omby entina miasa eny an-tsaha...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...