♦ Mpanao gazety 27 mianadahy no nahavita ny fiofanana amin'ny fiarovan-tena eo am-panatanterahana ny asany. Nikarakara ny atrik'asa fiofanana ny UNESCO sy ny Aye-Aye Production ary ny Zandarimaria... ♦ Vita ny ampahany voalohany tamin'ny fanadihadiana momba ilay seranam-piaramanidina vaovao Ravinala Airports... ♦ Nahavitabe tamin'ny sehatr'asa fanadiovana ny tanàna ny RF2 Diotsiry ao Antananarivo. Manodina ny fako angonin'izy ireo ho lasa zezika azo ampiasaina amin'ny fambolena ihany koa...
Sabotsy 13 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8
Teny manambara finoana, fahatokisana, fahavononana hiroso ny teny hoe : "eny", ka vonona hanakambana ny fiainana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny tanora manao "eny" eo am-pirosoana amin'ny ho aviny. Sahia miroso, matokia ny hery omen'Andriamanitra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Zoma 12 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37
Alakamisy 11 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25
Ilaina ny fifandraisan'ny samy tanora amin'ny fanorenana ny ho avy. Misy tanora mihanona amin'ny fifandraisana amin'ny namana tokana ary misy ireo miaina ny fifandraisana "virtuelles" na anaty tambajotra sosialy. Ilaina ny fisokafana amin'ny hafa indrindra amin'ny mpiray finoana. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alarobia 10 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19
Talata 9 novambra 2021 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 19-24
Fiaraha-miasa amin'ny tanora : ny firosoana amin'ny fiainana ny fahatanorana dia fisokafana amin'ny namana, fiaraha-mifampizara fiainana, fizarana ny hafalian'ny fahatanorana ao anaty firahalahiana. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Fiaraha-miasa amin'ny zokiolona : misy harena miafina ao amin'ireny zokiolona ireny, koa amporisihana ny tanora mba hahay hiara-hiasa amin'ireny eo am-panorenana ny ho avy. Raha misy olon-kendry hitanao dia hatony vao maraina ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Ny tanora dia afaka manantona ny pretra amin'ny fotoana rehetra. Ny Papa Fransoa dia nilaza matetika fa tokony hiara-dalana mandrakariva amin'ny tanora ny pretra sy ny mpanabe ara-panahy. Mampiahiahy ny ho avin'ny tanora raha tsy eo ny mpanabe ara-panahy. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
♦ Napetraka ny fepetra amin'ireo orinasa mpanamboatra lalana. Hiantso an'ireo tsy afaka nisitraka vola tamin'ny fitondrana ny MTP, manomboka amin'ity herinandro ity... ♦ Mananosarotra ny fanaraha-maso ny fari-dranomasin'i Madagasikara sy ny ady atao amin'ny sambo mpanjono an-tsokosoko noho ny tsy fahampian'ny fitaovana... ♦ Miara-miasa amin'ny tantsaha mpamokatra amin'ny fisafidianana ny karazam-bary vaovao mety amin'zy ireo sy ny mpanjifa ny mpikaroka, tahaka ny vokatry ny tetik'asa Fy Vary...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco