♦ Handray anjara amin'ny Fifaninana aty Afrika anio ny Ankoay sy ny Barea izay solontenan'i Madagasikara... ♦ Maro koa ireo Profesora tafitohana tamin'ny ampaham-panazavana nataon'ny mpitondra tenin'ny filohan'ny repoblika momba ny fari-pahaizan'ny Profesora Malagasy... ♦ Hisy fikorontanana ny fifamoivoizana eto Antananarivo mandritra ny fanantanterana ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45... ♦ Manao ranolava ny fanambarana sy ny ady sisika amin'ny hampiatoana ny ady any Gaza...
♦ Nitrangana vaky fasana tany amin'ny Fokontany Miadamanjaka, Distrika Soavainanriana-Itasy. Tafiditr'ireo mpamaky fasana ny 6 tamin'ireo fasana 7 nandalovany... ♦ Lahadinika etsy amin'ny CCI Ivato indray anio ny firosoana amin'ny fandravonana ireo hevi-dehibe nisongadina tamin'ny Filan-kevitry ny Ministra ao amin'ny SADC... ♦ Nanamafy i Elia Rabevahiny fa mitohy ny tolona na teo aza ny fanamelohan'ny Fitsaràna azy herintaona sazy mihantona... ♦ Miisa 21.000 ireo olona nosambrorin'ny pôlisy iraniana ary nofonjaina tao anatin'ny 12 andro...
Ny "ENY" nambaran'i Masina Maria manoloana ny hafatra nampitondrain'Andriamanitra ny Anjely dia tsy noterena fa hevitra voadinika tsara, ary ohatra ho an'ny olombelona rehetra izany fanekena izany. Raha misy zavatra tsy azo manoloana ny resaka na adidy hifampizarana dia tokony hanontany hatrany fa tsy hanaiky tsy ampy fiheverena sy tsy voadinika tsara... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nanomboka andraony 12 aogositra ny fivorian'ireo Minisitry ny Raharaham-bahiny avy amin'ireo firenena mandrafitra ny SADC. Nitarika izany tetsy amin'ny CCI Ivato ny Lehiben'ny Diplomasia Malagasy, Rasata Rafaravavitafika... • Nanolotra fitaovana ahafahana manamafy ny asa fiarovana ny haren-dranomasina eto Madagasikara ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana, tamin'ny alalan'ny Sekretera Jeneraliny. Ezaka iraha-manana ny fiarovana ny fari-dranomasina, hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy... • Nankalazaina androany ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora. “Hetsiky ny tanora ho an'ny tanjon'ny fandrosoana lovainjafy”, izay no lohahevitra nvoizina. Isan'ny nanamarika izany i Madagasikara...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco