18 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24

  • Amboletra nataon'ny mpitondra hampandaniana ny kandidàm-panjakana no nisy nandritra ny fifidianana, hoy Ramatoa Ravololomanana Lalatiana...
  • Mihatra indray ny fifandimbiasan'ny fahatapahan'ny herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny JIRAMA...
  • Mandrahona ny hihetsika indray ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, manoloana ireo olana tsy ahitam-bahaolana maharitra...

  • Niantso ny hanambarana hery ihany koa i Gascar Fenosoa, manoloana ny zava-misy. Nivoaka tamin'ny fahanginany ity kandidà Ben'ny Tanànan'Antananarivo ity, ka namoaka fanambarana androany...
  • Hanomboka tsy ho ela ny fametrahana ny vatofotor'ilay foibe vaovao famokarana herinaratra any Ranomafana, araka ny nambaran'ny Filoha omaly. Foibe hamokatra herinaratra 64 Mégawatts izy io...
  • Tsy ankasitrahan'ny K2HB ny mbola hikarakaran'ny Federasiôna fakan-kevitra indray hanatsarana ny baolina kitra. Ny hevitra tapaka tamin'ilay fikaonan-doha tamin'ny taona 2020 no tokony hampiharina, hoy ity fikambanana ity...

Ny "iray tampo" dia ireo iray kibo, na kitabo nifonosana ; ny iray tampo samy hafa ray izany no mitombina satria ny reny na ny vavy ihany no afaka mitondra am-bohoka. Ny zaza kambana dia mifanatrika ao an-kibon-dreniny ; araka ny finoana malagasy dia ireo kambana lahy sy vavy dia nosokajiana toy ny hoe mpivady, misy fomba hatao noho izany hanarenana ny vintan'izy ireo sy hanampahana iray fifandrohina. Rehefa teraka sy mbola minono ireo zaza dia avahana tsara ny nono ka ny Havia ho an'ny lahy ary ny Havanana dia ho an'ny vavy , rehefa tonga amin'ny maha sakan-jaza dia irosohana ny fanaovana fomba : "fanambadiana - fandravana fanambadiana"...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...