♦ Manome fe-potoana 24 ora hitadiavana vahaolana momba ny fitakiana ireo mpiasan'ny JIRAMA. Feno hipok'ireo mpiasa ny foiben'ny JIRAMA eny Soanierana, izay toerana anaovan'izy ireo fitokonambe... ♦ Namoaka "ordre réquisition" ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo ny maraina teo, manoloana ity fitokonamben'ny mpiasan'ny JIRAMA ity... ♦ Mitaky ny marina momba ny antony nahatonga ireo fahapoizinana ara-tsakafo niseho tato ho ato ny Kmf/Cnoe. Namoaka fanambaràna momba ireo olana ara-tsôsialy samihafa misy ity mpikambann'ny Firaisamonim-pirenena ity... ♦ Notafihan'i Rosia tamin'ny alalan'ny Drones +700 isa i Ukraine omaly...
Ny zokiolona, vehivavy, dia efa miaina, tonga sy tafiditra amin'ny vanim-potoanan'ny fitsaharana. Rehefa miha mahazo taona ny vehivavy dia mihena tsikelikely ny ely, izay mampientana ny taovam-pananahana sy ny mahaolona, ary misy fiovana eo amin'ny vatana, ohatra mihamanify sy fotsy ny volo. Ny fiovana misy ety ivelan'ny vatana vehivavy zokiolona dia tsy aretina fa ara-boajanahary, anefa ireny mety hiteraka hitakika tsinahy... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hanao fitokonambe manomboka anio ny tambaben'ny mpiasan'ny JIRAMA manerana ny nosy. Hifampitaona eny Soanierana ireo mpiasa eto Antananarivo, taorian'ny hetsika ny herinandro teo... ♦ Ben'ny Tanàna 45 avy amin'ireo tanàn-dehibe aty amin'ny ranomasimbe Indiana no mihaona eto Antananarivo, nanomboka omaly... ♦ Tsy mbola nahitàna mangirana ny fikarohana ilay Sambo A.W niainga tany Mahajanga hatramin'izao. Mitohy ny fikarohana io sambo sy ny antony nampanjavona azy tany an-dranomasina, raha ny tatitra ny eo anivon'ny APMF... ♦ Hiditra ao anatin'ny fampiasana ny vola Euro i Bulgarie manomboka ny volana janoary 2026...
Amin'ny maha mpiandry ondry ny Eveka dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka sy be herim-po izy amin'ny fanahafana an'i Jesoa Kristy ka hazoto sy hanetritena hatrany amin'ny fanatontosana ny adidiny. Amin'ny fanatanterahany amin-kitsim-po sy am-pitiavana ny asany, miampy ny hanitry ny fitiavam-bavaka ao aminy no hanamasinan'ny Eveka ny tenany... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco