♦ Nisaraka ady sahala, iray no iray, ny Barea sy ny ekipam-pirenena Gambiana, tany amin'ny kianja Labri Zaouili, Casablanca Maroc. Lalao fifanintsanana handraisana anjara amin'ny CAN 2025... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafahampo ny mpanjifa ny Orange Money sy ny banky Société Générale eto Madagasikara... ♦ Ny anjara andraikitry ny sehatra tsy miankina amin'ny ady amin'ny kolikoly no lohahevitra tamin'ny loabary an-dasy tetsy amin'ny foiben'ny Bianco androany...
♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...
Tandindomin-doza ny fizakàna ny zo amin'ny tanim-pokonolona eto Madagasikara. Tsy mbola manana lalàna ampy miaro ny tanim-pokonolona mantsy ny Malagasy. Ny 50% amin'ny tany misy eran-tany nefa no sokajiana ho tanim-pokonolona hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny Rafitra ho fiarovana ny zo sy ny loharanon-karena na ny RRI (Right Ressources Initiatives) aty Afrika...
♦ Antoky ny fiakaran'ny lanjan'ny toekarena malagasy ny fisian'ny fitoniana ara-pôlitika, hoy ny Masoivoho britanika vaovao miasa eto Madagasikara, nandritra ny fihaonany tamin'ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Vintana farany hahafahan'ny Barean'i Madagasikara hiady ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana CAN 2025, ny lalao hihaonana amin'i Gambie... ♦ Efatra isan-taona eo ny herisetra na fanararaotana mianjady amin'ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany, raha ny tatitra voarain'ny OJM...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco