Boky Deterônômy (Det. 4, 1-2. 6-8)
Tamin’izany andro izany, i Môizy niteny tamin’ny vahoaka Israely nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Israely,
henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo,
ka hiditra sy hanana ny tany nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo.
Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin’ izany akory,
fa tandremo ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo.
Koa tandremo sy tanteraho izany,
fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason’ny firenena
izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe:
‘Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!’
Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy,
tahaka ny maha-akaikintsika ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika Azy?
Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina,
toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 14, 2-3a. 3bd-4ab. 4d-5
Dia izay mahitsy famindra
sy mitandro ny rariny:
ny fony misaina ny marina;
ny lelany tsy ekeny handainga.
Fady azy ny manisy ratsy
sy ny maneso ny miara-monina.
Ny olo-meloka tsy hasohasoany;
ny matahotra ny Tompo no hajainy.
Ny teny nomeny tsy ivadihany,
na voasingotra aza ny tenany.
Tsy mba maka zana-bola izy
na mandray tamby hahameloka ny marina.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 17-18. 21b-22. 27)
Ry kristianina hava-malala, raiso amim-pahalemem-panahy ny fanomezan-tsoa rehetra
sy ny fahasoavana tanteraka rehetra avy any ambony,
ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana,
izay tsy manam-piovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa,
fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny.
Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray:
ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany;
ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23)
Tamin’izany andro izany,
dia niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,
ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio,
izany hoe tsy voasasa.
Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany,
fa mitana ny fanaon-drazany izy;
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.
Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana,
dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana.
Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana,
fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?”
Ary hoy ny navaliny azy ireo:
“Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe:
‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony;
koa foana ny ivavahan’ireo amiko
satria didin’olombelona no ataony fampianarana’.
Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo”.
Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe:
“Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy:
dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona,
ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy,
ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy,
ny fiavonavonana, ny fahadalana;
izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Rehefa nanatona an'i Joany Batista i Jesoa mba hatao Batemy hiombonany fiainana amin'ireo vahoaka jody namany ; te hampianatra antsika i Jesoa fa Izy aza Andriamanitra manatona mba hibebaka, maika fa isika izay zanaky ny ota ary nandova fahotana indray ve no tsy hatao Batemy? Tsy natao Batemy amin'ny rano mba hahamasina Azy i Jesoa fa Izy no nanamasina ny ranon'i Jordany... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Alahady faha-21 mandavantaona - B : I Kristy fidina, i Kristy tompoina ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Ny bokin'i Jôsoe dia mitanisa ny zava-nisy nanamarika ny fidiran'ny vahoaka Israely tao amin'ny tany nampanantenaina. I Jôsoe dia mpitsara izay nampivory ny vahoaka teo amin'ny toerana atao hoe Sikema ; nampanao safidy an'ireo vahoaka i Jôsoe ny amin'izay andriamanitra tiany hotompoina. Tsy nanery ireo vahoaka i Jôsoe fa nanome ohatra izy ary nanambara hoe : Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo. Fakam-panahy ho antsika ny mahita ny maro mandao ny andraikiny, koa aza matahotra ny handeha irery sy hijoro amin'ny finoana...
25 aogositra 2024 — Alahady Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-70)
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco