18 aogositra 2024 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

Tsy vitan'ny indray andro ny vavaka fa fiainana isan'andro mihitsy ; ny fananana faharetana no nampiavaka an'i Elia mpaminany, porofon'izany ny fivoaran'ny fifandraisany tamin'Andriamanitra. Nihanazava taminy ny endrik'Andriamanitra nandritra ny dingana rehetra teo amin'ny fiainany. Ny zava-nitranga teo aminy dia nanome traik'efa azy amin'ny fihaonana amin'Andriamanitra ; niseho taminy tamim-panetren-tena Andriamaintra. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.

17 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)

♦ Hirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambarany androany... ♦ Efa tafaverina eto Madagasikara omaly alakamisy, ireo sokatra miisa 200 naondrana an-tsokosoko tany Comores... ♦ Efa miomana amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso ny aretina "Variole du singe", i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...