Ankoatry ny mpanoratra dia marihan'ny konsily fa misy zavatra 5 asongadin'ny boky mandrafitra ny baiboly : Manamafy ny voalaza mahakasika an'i Kristy Tompo, Manazava hatrany ny tena fampianarany, Mitory ny herim-pamonjena avy amin'ny asan'Andriamanitra nataon'i Kristy, Mitantara ny fiatombohan'ny fiangonana sy ny fihitarany, Milaza ny fahataperany be voninahitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Miverina amin'ny fampiasana ny Lalam-panorenana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina. Namoaka fanambarana momba izany ny Filankevitra ho an'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hariva teo... • Hambara ampahibemaso ny alatsinainy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny nahatongavan'ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay sy Mamy Ravatomananga tatsy Maurice... • Nitory eny amin'ny Fitsarana, ny Depiote Antoine Rajerison, momba ny nanjo azy tao aorian'ilay fisamborana teny Tsiadana. Anisan'ny nanaovany fitoriana ny fanerena azy alaina sary niaraka tamin'ny basy...
♦ Miandry ny fahavitan'ny fihanianana hotanterahana rahampitso ny fanendrena ny Praiministra hoy ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Manentana ny olom-pirenena tsy handairan'ny vaovao tsy mari-pototra ny kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena. Miantso ny zandary hanohy ny asa sahaniny koa ny Jeneraly Mamelison Mbinina Nonos... ♦ Nahaton'ny vondrona afrikana tsy ho mpikambana ao amin'io Vondrona io i Madagasikara nanomboka omaly... ♦ 75 no naratra tany Perou vokatry ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana...
Ho fanesorana ny firenena anatin'ny olana misy ankehitriny dia ilay any finiavana, anjara biriky hisian'ny fifanajàna sy fihavanana, fifampihainoana ary fifanampiana. Miainga sy miankina amin'ny tsirairay ny mety hatsara ny fiainam-pirenena, mifototra indrindra amin'ny firaisan-kina. Firaisan-kina mitondra amin'ny fivoarana sy fandrosoana, hiteraka filaminana. Miorina amin'ny safidy ihany koa anefa ny lalam-piainana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco