♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...
Miezaka manatratra ny fanamby napetraka hanofana olona iray tapitrisa mandritra ny 5 taona ahahafehy ny fomba fambolena Pfumvudza ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny ONG PPC Madagascar. Ahitam-pahombiazana mantsy ny vokatra azo tao anatin'ny taom-pambolena iray raha y zava-misy ao amin'ny vala tahaka tety Ivato.
♦ Niroso tamin'ny fametrahana tondrozotra hiatrehana ny fandotoana ao anatin'ny 10 taona ho avy, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Manantena ny mponina any avaratra fa tsy ho vonjy tavan'andro ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin'ny Reniranon'Ifasy sy Mahavavy. Manahy izy ireo fa ho tapaka indray ny lalana amin'ny fotoam-pahavaratra... ♦ Mikarakara fampianarana momba ny famokarana sary hosodoko sy ny sary sokitra, ny Tranom-boky Monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, amin'izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao...
Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco