Ny fivoaran'ny tontolo ivelan'ny trano iainan'ny ankohonana manefy amin'ny ampahany amin'ny fitaizana. Misy ny lalàna mamaritra ny zon'ny ankizy sy fiarovana azy ireny ; misy ny lafiny tsara isan'izany ny fiasorohana ny herisetra na ara-tsaina na ara-batana. Fandrasoana amin'ny maha-olona ny fisian'ny lalàna miaro ny ankizy sy ny zony, anefa mbola mila ezaka ny fampahafantarana sy ny fampiharana izany, mila paik'ady ny fandresen-dahatra hampiharana izay voasoratra. Ny trangana tsy fandriam-pahalemana amin'izao fotoana izao dia misy fiatraikany amin'ny fanabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nanakinan'ny fitondrana ny andraikitra ho lehiben'ny Faritra mpisolo toerana ao Fitovinany nandritry ny filan-kevitry ny ministra natao omaly ny solombavambahoaka teo aloha, Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Nanatevina ny andian-tafiny any Moyen-Orient i La Frantsa. Fanambaràna nataon'ny Filoha Frantsay Andriamatoa Emmanuel Macron tamin'ny vahoaka frantsay manoloana ny ady misy any ankehitriny... ♦ Tanora Gen Z : mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny fanavaozana nimatimatesana, takian'izy ireo ny handravana ny andrim-panjakàna, sakana amin'ny fanovana...

♦ Nihaona tamin'ny tompon'andraikitra voalohany misahana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly maneran-tany eo anivon'ny Egilzy Katôlika any Vatican androany ny solontenan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara mivahiny any Roma... ♦ Mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny Fanavaozana nimatimatesana teny an-kianja hoy ireo tanora mpitolona tamin'ny hetsika GEN. Mitaky ny handravana ny andrim-panjakàna sakana amin'ny fanovana izy ireo... ♦ Sady azo tsaraina ao amin'ny Fitsaràna Avo (HCJ) sy ao amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny kolikoly ny filohan'ny antenimieran-doholona teo aloha ny jeneraly Ravalomanana Richard hoy ny HCC...

♦ Hitontona vanim-potoam-pahavaratra ny datin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2027, raha ny voarakitr'ilay fandaharan'asa nomena ny SADC. Ny fikaonandoham-pirenena no tokony hamaritra izany hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Olona 2 no nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora noho ny fanelezana vaovao tsy marina entina hanakorontanana ny firenena. Nanazava ny momba io tranga io ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Tsy maintsy hisy fiantraikany ara-toekarena eto Madagasikara ny ady any Moyen-Orient hoy ny PMH. Miantso ny Fanjakàna Malagasy hitady vahaolana tsinjo lavitra dieny izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...