12 aprily 2024 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

♦ Marefo ny fihavanana ka mila fanafody, hoy ny hafatry ny Justice et Paix eto Madagasikara. Nivory teto Antananarivo nandritra ny efatra andro ity vaomiera ity, nitondra hafatra momba ny zava-misy iainan'ny Malagasy... ♦ Maromaro ireo kandidà Solombavam-bahoaka no tsy nahafeno ny antontan-taratasy firotsahany, nolavin'ny OVEC... ♦ Tsy mahafaly ny mpiasa ilay fisondrotan-karama notapahana ho an'ity taona 2024 ity, hoy ny sendikà FISEMARE androany. Hafana ny hetsika fanoherana izany amin'ny voalohan'ny volana mey...

♦ Miandry ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona vao ho fantatra ny didim-pitsaràna momba ny raharaha anenjehana azy hoy ny mpisolovava miaro azy... ♦ Mamporisika ny vehivavy handray anjara amin'ny fifidianana, indrindra fa ny fifidianana ben'ny tanàna, ny filoham-boninahitry ny CNFM sy ny VMLF Ramatoa Ranampy Zenaïde... ♦ Miatrika ny ady amin'ny valala ny ao amin'ny distrikan'Ankazobe, Faritra Analamanga. Manatanteraka ny asa ny ao amin'ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara na ny IFVM... ♦ Maty vokatry ny zera baomban'ny israeliana ny zanakalahin'i lehiben'ny Hamas palestinian Ismaël Haniyeh miisa telo miampy ny zafikeliny miisa efatra...

♦ Hoamasinina ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo amin'ny volana mey ho avy izao i Mgr Rakotoharisoa Jean Claude. Manasa ny vahoakan'Andriamanitra hanatrika izany ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hifarana anio ny fahafahan'ireo kandidà voahiliky ny OVEC hitondra fitarainana eny amin'ny CENI foibe. Hamoaka ny lisitra ôfisialy ny CENI ny faha-16-ny volana aprily izao... ♦ Nandrotsaka kandidà miisa 40 amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny antoko AREMA. Isan'ny kandidà nirotsaka any amin'ny distrika Mahanoro ny sekretera nasiônaly Annick Ratsiraka... ♦ Namerina ny antso efa nataony hisian'ny filaminana ao Ukraine, ny Tany Masina ary ny any Birmanie ny Papa François tamin'ny audience général...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...