Ny fanabeazana ny lafiny ara-po, fitiavana eo amintsika olombelona. Ny saina no mahatonga ny olona hahay handanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Ny fo dia afahantsika olombelona maneho fitia. Ny fihetseham-po dia tonga tsikelikely ao amin'ny olombelona, ary mitoetra sy maharitra ; ny fientanam-po dia tonga eo ny eo ary tsy mateza, izany hoe mandalo. Sarotra ny fanabeazana sy ny fandraisana ny fanabeazana raha vao tsy hay ny mifehy ny fientanam-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Tanterahana ety amin'ny “Maison Provinciale” ety Ivato, manomboka anio hatramin'ny sabotsy 6 aprily 2024, ny “Chapitre Provincial” an'ny Fikambanana Salezianina... ♦ Distrikan'Anjozorobe: mamokatra soja 80.000 taonina isan-taona. Nametrahana milina mpanodina ny soja sy ny voanjo ho lasa menaka, any an-toerana... ♦ Fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny firenena Sinoa: handefa mpanao gazety Malagasy hanaraka fiofanana any amin'ity firenena ity isika, hoy ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera...
Ny fanabeazana dia manana tanjona hanampy ny beazina hahay hiaina anaty fiaraha-monina, hahalala misimisy kokoa ny fomba sy ny lalam-piaraha-monina. Ny baiboly dia manome anjara toerana ambony io fanabeazana ny zaza io sady manoro fanabeazana hentitra. Misy tanjona ny fanabeazana, ny fanitsiana, ny kapoka, satria izay tia ny zanany no mahavatra mikaravasy azy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
3 aprily 2024 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco