♦ Tsy hisy intsony ny fanolorana kandida miainga avy any ambony, ho an'ny antoko TGV, fa homena sehatra ireo mpikambana any ifotony amin'ny fanolorana ireo olona izay hitan'izy ireo fa mendrika hirotsaka hofidina amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka... ♦ Tany mirefy 1500 m2 no nifanolanan'ny Fiangonana sy ny fikambanana tsy miankina iray, eny Ambatomaro... ♦ Hampiantrano ny fiadiana ny Tompon-dakan'ny Faritra faha-7, aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, eo amin'ny taranja Volley-Ball i Madagasikara, ny 22 febroary hatramin'ny 2 marsa 2024...
♦ Ny fanampiana ny hafa ho sambatra no tena fahasambarana eo amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin’ny Vavaka Angélus… ♦ Meteza isika hanjakan’ny hatsarana entin’ny Tenin’Andrimanitra eo amin’ny fiainantsika, hoy ny Papa François… ♦ Apinga ho an’izay rehetra mitoky aminy ny Tenin’Andriamanitra, hoy i P. Wagner Randriamampandry, Vikera Jeneralin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Tontosa ny sabotsy 20 sy alahady 21 janoary ny lanonana fitsofan-drano an’i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, tao amin’ny Diôsezin’Ihosy…
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 18-19. 24-29)
Tamin’izany andro izany,
nony avy niteny tamin’i Davida i Natàna,
dia niditra ny mpanjaka ary nipetraka teo anatrehan’Andriamanitra ary nanao hoe:
“Zinona moa aho, ry Tompo Andriamanitra ô!
Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin’izao aho?
Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Tompo Andriamanitra,
fa niteny Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao
ka hatrany amin’ny andro aoriana any.
Arakaraka ny lalan’ny olombelona izany ataonao amiko izany,
Tompo Andriamanitra ô!Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay,
ka Ianao, ry Tompo, dia efa tonga Andriamaniny.
Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitra ô,
tano ny teny voalazanao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany,
tano mandrakizay izany ary tanteraho araka ny teninao;
dia hankalazaina anie ny Anaranao, ka hatao hoe:
Ny Tompon’ny tafika no Andriamanitra amin’i Israely.
Ary aoka ho voaorina mafy eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.
Fa Tenanao, ry Tompon’ny tafika, Andriamanitr’i Israely,
no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe:
Hanorenako trano Ianao.
Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.
Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitra,
Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao.
Efa nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao,
ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian’ny mpanomponao,
mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao.
Fa Ianao, Tompo Andriamanitra, no niteny,
ka amin’ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian’ny mpanomponao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo
Salamo 131, 1-3. 3-5. 11-12. 13-14
Tsarovy i Davida sy izay nataony, ry Tompoko.
Tsarovy ny asa sy ireo teny napetrany.
Fa ilay fianianana izay nataony dia fatratra.
Dia ilay dina masina izay naloaky ny vavany.
Fa zovy àry moa aho no sahy honina ao an-dapako?
Ho sahiko ve ny hiala sasatra eo am-pandriako?
Izay torimasoko tsy ho tonga handrendrika!
Ny masoko tsy mba hikimpy, tsy ho rendremana!
Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason’i Davida:
Ho an’izay haterakao ny seza fiandriananao.
Ny taranany aoriana koa handimby azy eo.
Raha mitandrina ny didy sy manaja fanekena.
Fa ny Tompo dia nifidy an’i Siôna mba ho Azy.
Ka ataony Fitsaharany onenany hatrany.
Ho Fitsaharako maharitra ka tiako lalandava.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana
na ambanin’ny farafara va ny jiro?
Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy?
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy haposaka.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”
Dia hoy indray Izy:
“Diniho izay renareo.
Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo,
ary homena mihoatra aza ianareo.
Fa izay manana dia homena,
ary izay tsy manana kosa,
na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 1-22)
Tamin’izay i Saoly,
dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo,
ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,
nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy
mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema
izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany,
na lahy na vavy.
Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy
dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra
nanjelajelatra nanodidina azy.
Dia lavo tamin’ny tany izy,
ary nandre feo nanao taminy hoe:
“Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?”
Ka hoy izy:
“Iza moa Ianao, Tompoko?”
Ary hoy ny Tompo:
“Izaho no i Jesoa izay enjehinao;
sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.”
Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe:
“Tompo ô, inona no tianao hataoko?”
Ary hoy ny Tompo taminy:
“Mitsangàna, midira ao an-tanàna,
ary ao no holazaina aminao
izay tsy maintsy hataonao.”
Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy,
fa nandre ny feo,
nefa tsy nahita olona na iza na iza.
Nony niarina avy hatreo i Saoly,
dia nanokatra ny masony,
fa tsy nahita na inona na inona;
ka olona no nitantana azy hankao Damasy.
Ary hateloana izy no tsy nahita,
sady tsy nihinana na nisotro.
Tao Damasy fahizay
dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania,
nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe:
“Ry Anania.”
Dia hoy izy:
“Inty aho, Tompoko.”
Ary hoy ny Tompo taminy:
“Mitsangàna,
ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy;
tadiavo ao an-tranon’i Jodà,
fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy,
efa mivavaka izy izao.
(Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahy anankiray
tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania
izay niditra sy nametra-tanana taminy
mba hampahiratra azy).
Ary i Anania namaly hoe:
“Tompoko, reko tamin’ny olona maro
fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io
tamin’ny olonao masina tao Jerosalema,
ary aty indray izy izao nahazo fahefana
tamin’ny lehiben’ny mpisorona
koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.”
Fa hoy ny Tompo taminy:
“Mandehana,
fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy,
hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily
sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;
ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany
noho ny Anarako.”
Dia nandeha i Anania,
ka nony tonga tao an-trano,
dia nametra-tanana taminy nanao hoe:
“Ry Saoly rahalahy,
i Jesoa Tompo izay niseho taminao
teo amin’ny lalana nalehanao,
dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao
sy ho feno ny Fanahy Masina.”
Niaraka tamin’izay,
nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano
niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy.
Dia nitsangana izy ka natao batemy;
ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray.
Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra
tao Damasy i Saoly,
ary nitory teo amin’ny sinagôga
niaraka tamin’izay izy,
ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.
Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe:
“Tsy ity va ilay nanenjika izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema,
sy tonga aty mba hitondra azy am-patorana
ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona?”
Vao mainka nihanahery anefa i Saoly
sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy,
naneho marimarina tamin’izy ireo
fa i Jesoa no Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 22, 3-16)
Tamin’izany andro izany:
Hoy i Paoly tamin’ny vahoaka tao Jerosalema:
“Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia,
fa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy,
teo ambanin’ny saokan’i Gamaliely,
nampianarina tsara ny Lalàn’ny razantsika aho,
ary nazoto ery ho an’Andriamanitra
tahaka anareo rehetra izao.
Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho;
ary namatotra azy na lahy na vavy,
sy nampandatsaka azy an-tranomaizina.
Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Loholona rehetra no vavolombeloko;
fa nandray taratasy tamin’izy ireo ho an’ny rahalahy aho,
dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra
izay hita tao ho aty Jerosalema mba hampijaliana.
Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasa,
tamin’ilay mitatao vovonana iny ny andro,
dia nisy fahazavana lehibe
tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.
Lavo tamin’ny tany terý aho,
sady nandre feo nanao tamiko hoe:‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?’
Dia namaly aho nanao hoe:
‘Iza moa Ianao, Tompoko?’
Ary hoy izy tamiko:
‘Izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao.’
Ry zareo niaraka tamiko izany,
nahita ny fahazavana ihany,
fa tsy nandre ny feon’izay niteny tamiko.
Ary hoy izaho:‘Inona no hataoko, Tompoko?’
Ka hoy ny Tompo tamiko:
‘Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa,
fa any no holazaina aminao
ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao.’Tsy nahita anefa aho
azon’ny famirapiratan’izany fahazavana izany,
ka notantanan’izay niaraka tamiko aho,
vao tonga tany Damasa.Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania
izay nanaraka ny Lalàna,
sy tsara laza tamin’ny Jody rehetra nonina tao.
Tonga nanatona ahy izy
ary nitsangana teo anilako nanao hoe:‘Ry Saoly rahalahy, mahiràta.’
Niaraka tamin’izay, dia nahita azy aho.
Ary hoy izy:‘Ny Andriamanitry ny razantsika
efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony,
sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany.
Fa ianao no ho vavolombelony
hanambara amin’ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao.
Ary ankehitriny, inona no andrasana?
Mitsangàna, raiso ny batemy,
ary mialà amin’ny fahotana,
amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jesoa.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 116, 1. 2)
Derao ny Tompo,
ry firenen- drehetra!
Ankalazao Izy,
ry foko rehetra!
Fa aminay tsy mba lefy
ny hatsaram-pony,
ary mandrakizay
ny fahamarinany!
Aleloia. Aleloia.
Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)
Tamin’izany andro izany,
niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa
ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao,
mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy;
fa izay tsy hino dia hohelohina.
Ary izao no famantarana homba izay mino:
Handroaka demony amin’ny Anarako izy,
hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,
handray menarana izy,
ary na misotro zava-mahafaty aza izy
dia tsy hampaninona azy izany;
hametra-tanana amin’ny marary izy,
dia ho sitrana ireny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco