♦ Namaky lay amin'ny fidirana an-tsehatra eo amin'ny pôlitika ny antoko Malagasy Miara-Miainga ary nilaza fa hanohy hatrany ny ady amin'ny fametrahana ny tany tan-dalàna... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no azo andikàna ny fametrahana PDS raha hisy izany hoy ny administrateur Civil Nicolas Rabenandrasana... ♦ Vinavinaina tsy hihoatra ny 10% ny tahan'ny fisodrotry ny vidim-piainana amin'ity taona ity, ny INSTAT... ♦ Niala an-daharana ka nilaza ny hanohana an'ingahy Donald Trump ny governoran'i Floride...
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 4-17)
Tamin’izany andro izany
tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao ny trano hitoerako?
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho,
hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta
ka mandrak’androany,
fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
Ary nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra,
moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely,
izay nasaiko hamahana an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe:
Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho ahy?
Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako amin’i Israely,
ary izay nalehanao nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao,
ny anaranao nataoko nalaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely aho
dia nampiorina azy eo,
ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao;
dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao,
ary hamafisiko ny fanjakany.
Izay no hanorina trano ho an’ny anarako,
ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany:
Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy.
Raha manao ratsy izy,
dia hofaiziko amin’ny rotsankazon’olombelona.
Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy,
toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao.
Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”
Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa
izany teny sy fahitana rehetra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 88, 4-5. 27-28. 29-30
Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko.
Ajoroko ho mandrakizay hoy Aho ny taranakao;
aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao.
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao.
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako,
sy ho avo indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.
Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany,
ho toy ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina
ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy,
Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina,
ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy
ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:
“Mihainoa:
Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy.
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo,
ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina,
fa nony niposaka ny masoandro,
sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara,
dia naniry sy nitombo, ary namoa,
ka ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany avo enim-polo heny,
ny sasany avo zato heny.”
Ary hoy Izy:
“Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.”
Nony efa nitokana Izy,
dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy
mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary hoy Izy taminy:
“Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana
mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra,
fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.”
Dia hoy Izy:
“Tsy azonareo va izany fanoharana izany?
Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny;
fa raha vao nahare izy,
dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato
no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela;
fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo
no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa,
dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka
no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa,
ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany enim-polo heny,
ary ny sasany zato heny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 6, 12b-15. 17-19)
Tamin’izany andro izany:
Niainga nandeha i Davida ka nampiakatra ny fiaran’Andriamanitra
avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida
nombam-panotrona maro niravoravo.
Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ny Tompo,
dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’ny Tompo,
ary nisikina efôda rongony madinika.
Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara
no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’ny Tompo.
Nony tafiditra ny fiaran’ny Tompo
ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay
nasain’i Davida natsangana ho azy,
dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’ny Tompo i Davida.
Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy sorom-pivavahana
dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika izy.
Dia samy nomeny mofo mamy iray sy hena iray didy
ary ampembam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra,
ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy.
Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 23, 7. 8. 9. 10
‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao;
‘nareo varararana re, misondrota!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.
‘Nareo vavahady atrakao ny tatao;
‘nareo varavarana re, misondrota.
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aieloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:
“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.”
Fa novaliany hoe:
“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”
Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:
“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Miisa 86 ireo tokan-trano marefo ao Feferamanga-Arivonomamo kendrena hisitraka ilay tetik'asa "Ankohonana Miarina" hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mitaky ny hamoahana ny préfet an'i Mahajanga any am-ponja ny sendika SYNAD, araka ny tinapak'ireo administrateur civil izay nivory ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nodimandry kosa Rakotomalala Henri na i Riribe izay fantatra tamin'ny fanoherana sy ny fitarihana ny federasiôn'ny Federasiôn'ny gadra pôlitika... ♦ Samy mbola mitàna ny heviny ny Israeliana sy Hamas Palestiana monoloana ny raharaha ao Gaza...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco