Ny "Kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena fatra-piangaly azy. Ohatra : Raozimaria tsa mba ratsy fa anarana nataon'ny vazaha, ka ny aombe mahia tsa mba mate, lehe mba tohofana vodi-kajaha. Amin'ny "kipotsaka" dia ny fehezanteny mamarana ny fehezan-teny mifanohy no tena misy ny votoatin'ny resaka tiana hampitaina.
♦ Efa nanainga ny delegasiôna voalohany hanatrika ny fanamasinana sy ny fametrahana an'i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, ho Evekan'i Tolagnaro... ♦ Ho mafy ny sivana ho an'ireo maniry ho kandidan'ny antoko TGV, amin'ny fifidianana amin'ity taona ity. Hiainga eny ifotony ny fanapahan-kevitra, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ity antoko ity... ♦ Nifanolanan'ny Fiangonana iray sy ny fikambanana tsy miankina kosa ny tany mirefy 1500 m2, eny Ambatomaro ankehitriny. Nihemotra indray raha tokony hiakatra Fitsarana anio, ity raharaha ity...
Simeona dia zokiolona marina sady mpivavaka niandry ny fanafahana an'i Israely, izay nihaona tamin' i Jesoa teo an-tokontanin'ny Tempoly, nanome voninahitra ary nidera an'Andrimanitra noho ny nahitany ny asa-pamonjena. Sarobidy ny feon'ny zokiolona izay azo lazaina ho "tso-drano", tahaka izay nataon'i Simeona tamin'i Jesoa sy ireo ray aman-dreniny. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
23 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra Fahatelo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco