21 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)
Ny vitiligo dia ny "dermatologue" no tena mahafehy ny fitsaboina azy. Ny 2% amin'ny olona maneran-tany no tratran'ity aretina ity. Ny "vitiligo" dia toe-koditra miseho, mipentina fotsy vokatry ny fahasimban'ny sela "mélanocyte" izay singa mandoko ny hoditra, ity aretina ity dia tsy mifindra. Ny fomba fitsehony : misy faritra mihamazava ny hoditra ary somary mangididy. Ny karazan'ny vitiligo : actif, stable, segmantaire... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Taratry ny fitantanana an'i Madagasikara ny zav-misy eto amin'ny tanànan'Antananarivo amin'izao hoy ny vovonana Mamita... ♦ Nanomboka ny asa fanadiovana ireo lakan-drano sy fanesorana tsikafona ao amin'ny boriborin-tany voalohany sy fahaefatra ao Antananarivo-renivohitra tanterahan'ny BNGRC... ♦ Manomboka maro ireo olona manantona ny toeram-pitsaboana tsy miankina eto Antananarivo mitsabo ilay aretina maso "conjonctivite bactérienne"... ♦ Miaramila miisa 90.000 no hahetsiky ny OTAN amin'ilay fanazaran-tena ara-miaramila tanterahina manomboka amin'io herinandro ambony io...
♦ Miara-misalahy amin'ny fanesorana ireo fako ao Antananarivo ny ministeran'ny rano sy ny Faritra Analamanga, mahatratra 2.000 m2 isan'andro ny fako hesorina ao an-drenivohitra... ♦ 25% amin'ny mponina eto Madagasikara tsy manana soram-piankohonana ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany... ♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny tetik'asa Pôle intégré de croissance na ny PIC andiany faharoa... ♦ Palestiniana miisa 80 indray no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny zera baomba mahery vaika nataon'ny tafika Israeliana tao Bande de Gaza...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco