♦ Vonona hiaro ny voka-pifidianana filoham-pirenena avoakan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana rahampitso ny Emoo Nat. Tsy azon'ny mpitandro filaminana atao koa ny miteny amin'ny anaran'ny tafika hoy ny lefitry ny lehiben'ireo Etamajaorin'ny tafika malagasy... ♦ Ampamaranana ankehitriny ny asa fandavahana ny vava fantsona ao amin'ny reniranon'i Efaho, Kaominina Manambaro ahafahana manatanteraka ny tetik'asa fitarihandrano na ny "Pipeline Efaho... ♦ Handray anjara amin'ny fihaonana antampon'ny firenena mikambana andinihana ny tokony hatao momba ny fihafanan'ny tany sy ny fiovan'ny toetr'andro any Dubaï, na ny COP 28, ny delegasiôna tarihan'ny UNICEF ahitana malagasy tanora 10 mianadahy...

Mikasika ny fifandraisan'ny Fanjakana sy ny Eglizy, ambaran'ny Konsily fa miavaka tsara izy ireo ary tsindriny fa tsy voafehin'ny karazam-pitondram-panjakàna na inona na inona ny Eglizy. Na izany aza, asongadin'ny konsily fa "ny hanasoa ny olona tsirairay na ny olona mitambatra no samy kendren'izy ireo, na dia amin'ny fomba samihafa aza. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

30 nôvambra 2023 — Masindahy André, Apôstôly — Fety — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22

♦ Tsy hanaiky ny asa fanakorontanana amin'ny endriny rehetra, na avy eto an-toerana na avy any ivelany, eo am-piandrasana ny famoahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny vokatra ôfisialy tamin'ny fifidianana, ny EMMO-NAT... ♦ Miroso ny fanatanterahana ny tetik'asa "Pipeline Efaho", fitarihan-drano miala any amin'ny reniranon'i Efaho, Distrikan'i Taolagnaro, mihazo ny kaominina maro any amin'ny faritra atsimon'ny nosy... ♦ Isan'ny firenena folo maneran-tany voasokajy ho iharan'ny fiovan'ny toetrandro i Madagasikara, nefa tsy isan'ireo mpandoto, na mandefa ny entona mangeja hafanana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...