Eo anatrehan'ny fiaraha-miasan'ny Fanjakana sy ny Eglizy dia hamafisin'ny DSE fa "ny fizakan-tenan'ny andaniny sy ny ankilany, eo amin'ny Eglizy sy ny ankohonana pôlitika dia tsy mitarika fisarahana tsy ahafahana fiaraha-miasa : izy roa tonta, na dia amin'ny lafin'ny samy hafa aza dia samy natao hikarakara eo anivon'ny vahoaka iray amin'ilay antso miantefa amin'ny isam-batan'olona...". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
1 desambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)
♦ Namoaka fanambarana milaza ny hitohizan'ny tolona efa natombony, mba hahatongavana any amin'ny fifidianana tena izy, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny LFI 2024... ♦ Tara adiny roa sy sasany ny fanombohan'ny fifidianana ny Biraon'ny Holafitry ny Infirmiera eto Madagasikara, ho an'Anjozorobe...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 63, 16b-17, 19b ; 64, 2b-7)
Ianao ry Tompo, no Rainay,
Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay.
Nahoana izahay, ry Tompo ô,
no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,
ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?
Miverena,
noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao!
Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina,
dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Endrey raha midina Ianao
dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!
Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa,
manao toy izany, ho an’ny manantena azy,
afa-tsy Ianao.
Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,
izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.
Fa izao,
tezitra Ianao, ary meloka izahay;
— sady efa ela no toy izany —:
hovonjena va izahay?
Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;
ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto.
Malazo toy ny ravina avokoa izahay,
ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,
nifoha mba hifikitra aminao.
Fa nafeninao taminay ny Tavanao,
ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotanay izahay.
Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao;
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
tanimanga izahay,
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
asan-tananao avokoa izahay rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena,
mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 3-9)
Ry kristianina havana,
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo,
noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
fa noho ny firaisanareo aminy,
tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo,
dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;
ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo,
dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo
amin’ny fahasoavana rehetra,
hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany,
mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Eny, mahatoky Andriamanitra
izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Mitandrema, miambena, ary mivavaha,
fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana:
tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny,
ka nandao ny tranony,
ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy,
dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.
Koa miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano,
na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
fandrao tonga tampoka izy
ka tratrany matory ianareo.
Ary izao lazaiko aminareo izao,
dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco