Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 15-27)
Izaho Daniely, nitebiteby ny saiko tao anatiko,
ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.
Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho,
dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany,
ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr’izany:
“Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany,
dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;
nefa ireo Olo-masin’ny Avo indrindra no handray ny fanjakana
sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay alaovalo.”
Tiako ho fantatra marina tamin’izay,
ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra,
mahatsiravina indrindra,
vy ny nifiny, varahina ny hohony,
nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;
sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany,
mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra,
ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany,
dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe,
ary niseho ho lehibe noho ny namany.
Nijery aho ka indro niady tamin’ireo Olo-masina,
sy naharesy azy ireo ilay tandroka,
mandra-pahatongan’ilay Anti-dahy
izay nanomezana ny fitsarana an’ireo Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo Olo-masina ny fanjakana.
Izao no nolazainy tamiko:
“Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany,
hafa noho ny fanjakana rehetra,
hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.
Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany;
hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo;
ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.
Hanao teny manohitra ny Avo indrindra izy,
sady hampahory ny Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna,
ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masina
mandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa,
ary ny antsasaky ny fetr’andro.
Ary hatao ny fitsarana,
ka hesorina aminy ny fizakana
mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.
Ary ny fanjakana sy ny fahefana
amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etý ambanin’ny lanitra rehetra,
homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indrindra;
fanjakana mandrakizay ny fanjakany,
ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanjakana rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 82 sy 83. 84 sy 85. 86 sy 87
Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Aoka i Israely hidera ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay!
Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry Olo-masina sy ianareo manetry tena ao am-po;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo;
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa
ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mitohy ny fanadihadiana an'ireo miaramila manamboninahitra roa avy amin'ny tafika malagasy nahiditra eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy hoy ny lehiben'ny Etamazaoron'ireo tafika, ny jeneraly Andrianasimanana William... ♦ Hanao ady sisika hanohanana ny tetik'asa fiarovana ny tontolo iainana ataon'ny malagasy tanora ny mpitantana ny orinasa Bondy misehatra amin'ny fambolen-kazo. Handray anjara amin'ny fivoriana iraisam-pirenena andinihana ny momba ny fihafanan'ny tany any Dubaï na ny COP 28 izy... ♦ Misy akony mafy amin'ny tsifanjarian-tsakafo ao amin'ny Faritra atsimo-atsinanana ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny fambolena. Mitombo ny maitso ahitra iainan'ny mponina rehefa misy ny loza voajanahary...
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 2-14)
Tamin’izany andro izany,
dia niteny i Daniely ka nanao hoe:
“Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho,
ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra:
ary niakatra avy ao amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa.
Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery.
Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany
sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony
hoatra ny olona ary nomena fon’olombelona izy.
Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa,
hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany,
nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny,
ary izao no nolazaina taminy:‘Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!’
Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa,
hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny;
ary nanan-doha efatra izany biby izany,
dia nomena azy ny fanapahana.
Rahefa izany,
nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra,
ary mahery indrindra;
nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka,
ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony;
hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.
Nodinihiko ireo tandroka,
ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo,
ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha,
ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona
sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray;
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ny afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka.
Nijery aho mandra-pamono ilay biby,
sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.
Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany;
ary noferana ny halavan’ny andro iainany,
mandra-piavin’ny andro amam-potoana.Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’Olona
tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fanapahana,
sy ny voninahitra amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81
Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo,
ry tendrombohitra sy havoana!
Isaory ny Tompo,
ry zavamaniry rehetra eran-tany.
Isaory ny Tompo,
ry loharano!
Isaory ny Tompo,
ry ranomasina sy ony.
Isaory ny Tompo
ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!
Isaory ny Tompo,
ry voron’ny lanitra rehetra!
Isaory ny Tompo,
ry biby fiompy sy bibidian’ny tany!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:
“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy,
dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo
fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco