♦ Efa mafampana ny raharaha ao an-drenivohitra ao, ary efa nipoaka ny entona mandatsa-dranomaso, efa nisy koa ny fisamborana olona... ♦ Nifanome tanana amin'ny famahana ny disadisa pôlitika lalim-paka misy eto amin'ny firenena ankehitriny, ny FFKM sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Fototry ny olana ankehitriny ka mila hajanona aloha ny fisisihana hanatanteraka fifidianana amin'ny 16 nôvambra 2023, hoy SECES Sampana Antananarivo... ♦ Niharan'ny zera baomba nataon'Israely ny fiara mpitondra marary izay hiditra ao amin'ny hopitaly lehibe iray ao Gaza...

♦ Tsy azo hidirana nanomboka ny maraina teo eny amin'ny kianja ny 13 mey ary handray andraikitra mifanandrify amin'izany ny mpitandro ny filaminana... ♦ Samy hanatanteraka hetsika pôlitika ao an-drenivohitra anio ireo kandidà ho filoham-pirenena tsy mitovy hevitra. Hidina eny an-kianja hanao diabe anio ireo mpanaradia ny kandidà laharana fahatelo. Hifamotoana eo amin'ny kianja ny 13 mey ny vondron'ireo kandidà... ♦ Fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao ary tsy ilana fangatahana lalana izany satria efa fanjakana tsy ara-dalàna no mijoro ankehitriny, hoy ny antoko MFM... ♦ Farafahakeliny 119isa ireo maty ary maherin'ny 100 ireo naratra vokatry ny horohorontany nitranga tao Népal...

Misandrahaka amin'ny maha-olona ny soa iombonana satria tena mikatsaka ny soa ho an'ny fiaraha-monina manontolo, sady ny olombelona no fototra mampisy ny soa iombonana. Mivelatra maneran-tany ny soa iombonana satria ho an'ny fianakaviamben'ny olombelona sy ny tany manontolo. Mahasahana ny fifandraisana ny soa iombonana satria misy taratry ny fiombonan'ny olona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

4 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...