4 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)

♦ Tafahaona tamin'ireo mpiara-dia aminy eny Mahitsy ihany androany, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, na teo aza ny sakana samihafa. Nanamafy ny hisian'ny hetsika eny amin'ny Kianja 13 mey, ireo kandidà... ♦ Ho hentitra sy hisy fisavana rahampitso eny Analakely. Hikatona manomboka amin'ny 5 ora sy sasany maraina koa ny fidirana eny an-toerana... ♦ Nisy ireo sendikà sy ray aman-dreny ara-drazana, nanao fanambarana iombonana, mitaky ny hisian'ny fifampidinihana sy hanemorana ny fifidianana...

♦ Andrasana ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Scopelliti androany alina... ♦ Nitsidika ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa nandritra ny telo andro ny Solontenan'ny Ray masina, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Hitsidika an'i Dubaï ny Papa François ny 1 hatramin'ny 3 desambra 2023...

Hiroso amin'ny fifidianana any amin'ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny faritra ny eo anivon'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manomboka amin'ity volana nôvambra ity. Tapitra mantsy y fe-potoan-kiasan'ny birao sy ny filan-kevi-pitantanana. Hanomboka ny 20 nôvambra izao ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ka ny tantsaha manana karatra maha mpikambana no afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho an'ny eo anivon'ny kaominina noho miakatra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...