Tokony fantarina ny holafitra eo amin'ny asa fitsaboana sy ny tombontsoa azo ao aminy, eo amin'ny lafiny fahasalamam-bahoaka. Maro ny olana tsy mampilamina ny asa fitsaboana sy ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny. Izany no antony hiresahana androany ny dikan'ny holafitra sy ny andraikiny mikasika izany rehetra izany. Sarobidy ny fahasalamana ka aoka mba eny amin'ny tobim-pahasalamana sy ireo nianatra manokana momba ny fitsaboana no hatonina rehefa misy tranga tsy fahasalamana...

♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'izy ireo omaly, nandritra ny fitsidihana tao Vatican... ♦ Mitana ny sain'ny mpanara-baovao ilay fifampitifirana nahafaty olona dimy teny Amparihikely Andohanimandroseza, ny talata teo... ♦ Hiakatra Fampanoavana eny amin'ny Fitsarana anio, ny mpandrindra ny Randrana Sendikaly sy ny Filohan'ny SECES Sampana Antananarivo. Indroa alina izy ireo no notazonina teny Fiadanana. Nampangaina ho manohintohina ny fiandrianam-panjakana...

Manoro ireo singa efatra hampijoro ny fiainana ara-politika tena mendrika ny maha-olona ny konsily manao hoe : zava-dehibe mihitsy ny mampivelatra ny hevitra lalina raketin'ny fahamarinana ny hatsara-po, ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana, ary ny manamafy ny foto-kevitra ijoroan'ny fiainam-bahoaka sy ny zava-kendrena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

24 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...