♦ Manambana ny hampikatso ny raharaham-panjakàna ny alakamisy izao ny SSM. Manome 72 ora ireo hery velona rehetra eto amin'ny firenena izy ireo, hitady vahaolana manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Mangataka ny hanemorana indray ny fifidianana filoham-pirenena ny kandidà Andry Raobelina. Nanatitra taratasy fitoriana teny amin'ny HCC ny mpisolovava azy omaly, noho ny mbola fitsaboana azy any ampita, izay nambara fa antony tsy azo anoharana... ♦ Rongony 1.300kg mahery no saron'ny pôlisy teny Ambinibe-Andavamamba. Olona 5 no tra-tehaky ny pôlisy tamina trano fandraisam-bahiny iray, saika hanaparitaka ireo zava-mahadomenina ireo...

An'Andrimanitra ny aina koa tsy misy afaka manesotra izany. Ny fankahalana dia endrika famonoana. Irin'Andriamanitra ny hananan'ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo fiadanam-po. Noho izany indrindra no hiampangan'i Jesoa ny faharatsian'ny fahatezerana mahaty sy ny fankahalana izay samy tsy mitondra makany amin'ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

24 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

♦ Hampikatso ny raharaham-panjakana ny SSM, raha tsy misy ny fifanatonana ao anatin'ny telo andro, mba hikaroham-bahaolana amin'ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Niara-nanangan-tsaina teny Ampahibe androany, ny mpitandro ny filaminana telo tonta, izay notarihin'ny Minisitrany avy. Tazana teny an-toerana koa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha... ♦ Milanja iray taonina sy 376 kg, ireo rongony efa voazara tao anatin'ny gony miisa 108, izay tra-tehaky ny pôlisy alina, teny Ambilanibe Andavamamba...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...