♦ Roa taona aty aorian'ny fakan-kevitra isam-paritra natao, hirosoana ny fandaniana drafitr'asa nasiônaly hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy tsy ampy aona andiany faharoa... ♦ Vola hatrany amin'ny 7 miliara Euro no ilain'i Madagasikara, hanatrarana ny fanamby hisitrahan'ny 80% amin'ny mponina herinaratra hatramin'ny taona 2030... ♦ Hanao fangatahana ny ahalasa vakoka iraisam-pirenena ny kolontsaina Savika ny fikambanana Kolo Savitra, azo amidy hisintonana mpizahan-tany mantsy ity kolontsaina mampiavaka an'i Faritra Amoron'Imania ity... ♦ Nampiatoan'ny Filoha amerikana, alina, ny "Projet Liberté" ao amin'ny Détroit d'Ormuz...

Ny raim-pianakavina dia lehilahy izay lohan'ny fianakaviana sady vady, manana zanaka, andry iankinan'ny ankohonana. Ny fanamby ankehitriny dia ny fitaizana ny ankohonana manoloana ny fivoarana, eo koa ny fahasarotan'ny fitadiavam-bola ka lasa misara-toerana ny mpianakavy ary misy ny fahabangan'ny ray amin'ny fitaizana ny zanaka ; entanina ny raim-pianakaviana hanao ezaka mampiseho ny fisiany ao an-trano... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abraham.

♦ Andrasana mandritry ny fivoriana ara-potoana ho an'ireo solombavambahoaka ny fahafahana manenjika ara-pitsaràna ny filoha teo aloha Andry Rajoelina... ♦ Mitentina 1 Miliara Euro (5.000 Miliara Ariary) ny tetik'asa fampandrosoana hanohanan'ny vondrona Eraopeana an'i Madagasikara... ♦ Niray feo sy nivondrona ireo mpisehatra amin'ny fitaterana eto Madagasikara ary nanamafy fa marary ny sehatr'asa iseharan'izy ireo... ♦ Ahiana mafy ny ain'i Narges Mohammadi ilay teratany Iranianina nahazo ny loka Prix Nobel de la Paix, voatazona am-ponja any Iran araka ny fampitam-baovao nataon'ireo olona akaiky azy...

• Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Hibahan-toerana amin'ity fivoriana ity ny fanitsiana ny lalana mifehy ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2026... • Tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny herinandron'ny Vondrona Eoropeana. Mitentina 1 miliara Euro, na manodidina ny 5.000 miliara Ariary ny tetik'asa fampandrosoana anohanan'ny Vondrona Eoropeana antsika Malagasy... • Nametra-pialana tsy ho mpandrindra nasionalin'ny CT OJM intsony i Andry Raharison. Efa nisy anefa ny fanendren'ny mpikambana ny mpandrindra nasionaly vaovao ny 30 avrily 2026...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...