♦ Kandidà fito hatramin'izao no efa nilaza tamin'ny fomba ôfisialy ny hirotsahany hofidiana ho Filoham-pirenena amin'ny 9 nôvambra 2023. Hisokatra amin'ny herinandro ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo hirotsaka amin'izany fifidianana izany... ♦ Hanomboka ny 22 aogositra 2023 ny fanontana ny kara-pifidianana, araka ny tetiandro napetraka. Hifarana tsy ho ela kosa ny fanitsiana ireo tsy fahatomombanana madinika ao amin'ny lisi-pifidianana... ♦ Hihamafy amin'izay ny fitokonan'ny SECES Sampana Antananarivo. Hiala nenina farany izy ireo, satria hafana ny hetsika manomboka amin'ny zoma izao, raha toa tsy handray andraikitra ny mpitondra fanjakana...
♦ Nivoitra tamin'ny fakan-kevitra nataon'ireo fiaraha-monim-pirenena, mahakasika ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Mandena any amin'ny Faritra Anosy, ny fametrahana sehatra fifanakalozana sy fifampidinihana hialana amin'ny disadisa ary ahatonga ny fitrandrahana hampandroso ara-toe-karena sy sôsialy any amin'ny faritra misy azy... ♦ Miroso amin'ny fitetezam-paritra ankehitriny ireo mpanao pôlitika heverina fa hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Tany Fiaranantsoa ny Mi firaisankinan'ny Tia Taninndrazana sy ny MIHAVA Tour... ♦ Mitohy ny fifidianana ny filohan'ny ligy any amin'ny isam-paritra eo amin'ny taranja baolina kitra. Taorian'ny tany Amoron'i Mania dia vita ihany koa ny tany Matsiatra ambony...
♦ Nankalaza ny nampiakarana an'i Masina Maria tany an-danitra tamin'ny Eokaristia Masina omaly ny Eglizy katôlika Romana maneran-tany... ♦ Isan'ny sehatra hiaraha-miasa eo amin'i Inde sy Madagasikara ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy mangarahara, araka ny nambaran'ny masoivohony eto Madagasikara, omaly, raha nanamarika ny faha-77 taona nahazoany ny fahaleovan-tena niaraka tamin'ireo solon-tena avy amin'ny fitondrana Malagasy, teny Ivandry, ireo tera-tany Indiana omaly... ♦ Ho tonga eto Antananarivo amin'ny 23 aogositra ny afo tsy matin'ny lalaon'ny nosy, mialoha izany, i Toliary no handray azy amin'ny zoma izao...
Maro ireo nihevitra fa mpiray petsapetsa amin'ny mpanota i Jesoa Kristy tamin'ireo fanasana natrehany. Ny asa dia ahitana fifanaharana hatrany, ohatra : rehefa nantsoin'i Jesoa Kristy dia nanaiky ho diovina i Matio. Azo atao tsara ny miasa ara-pahamarinana sy ara-drariny ho fanasoavana ny daholobe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco